airtel

Sport

30-oct-2026

Raraka teo amin'ny

1

Sample post image

Nandresy 2-1 an’i Slovaquie,

30-oct-2026

hiady toerana amin’i Iran anio
Lavon’ny ekipam-pirenen'i Sénégal na ny lion'i Teranga, izay tena sangany eo amin’ny fanofanana tanora mpilalao baolina kitra aty Afrika, ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na ny Barean'i Madagasikara, latsaky ny 15 taona, omaly, nandritry ny amboara erantany ho an'ireo katitakely latsak'io taona io (U15). Firenena iray izay mahavita mandefa tanora manan-talenta isan-taona any amin’ireo ligy lehibe indrindra any Eoropa, toy ny Premier League, Ligue 1 ary La Liga, i Sénégal. Azo lazaina ho mendri-piderana, an-kilan'izay, ny ezaky ny zandrikely malagasy sy ny lalana nodiaviny nandritra ity fifaninanana ity, raha ny fahitàn'ireo mpandinika sy mpanohana azy. Hita fa manana ny talentany ny zandry kely saingy mila rafitra matotra hanabeazana sy hampivelarany izany. Isan'ny sosokevitra naroso, ohatra, ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny tanora atao tsy tapaka. Eo koa ny PFL na fifaninanam-pirenena maharitra 10 volana fa tsy 4 volana monja. Ny fisiana akademia maro kokoa ary fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ireo tanora mpilalao. Antenain'ireo mpankafy, noho izany, fa ity fifaninanana ity no ho fiandohan’ny fandrosoana lehibe ho an’ny baolina kitra tanora eto Madagasikara. Tamin'ny isa 4 noho 0 moa no nandavoan'ny Lion'i Teranga ireto Barea latsaky ny 15 taona ireto omaly, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany, ka dia tapitra teo amin'ny 1/4-dalana aloha izany teto ny lalana ho an'ny Barea.


Resin’i Zambie 4-3 tamin’ny manasa-dalana ny Sénégalais izay nandraraka antsika, raha toa ka nandresy an’i Slovaquie 2-1 isika tamin’ny fiadian-toerana. Lalao azo lazaina fa mafy satria nitarika ny mpifanandrina, izay nanatombo ihany koa tamin’ny vatana. Anio amin’ny 9 :15 kosa ny lalao farany ho an’ny Barea izay hifanandrinana amin’i Iran.
Nangonin'i J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

29-oct-2026

Nanamontsana 4-1 an’i Ouzbékistan,

Card image cap