intsony tao amin’ny Young Boys, divizionina voalohany ao Soisa izay. Niha ratsy hatrany, raha fehezina, ny taom-pilalaovana ho an’ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Rayan Raveloson, indrindra, tamin’ity taom-pilalaovana 2025-2026 ity. Zara raha nahazo lalao, izany hoe, matetika mpilalao fiandry izy tato ho ato, raha ny fampitàm-baovao voaray, niaraka tamin’ity klioba soisa ity. Lalao miisa 23 monja no niakarany kianja. Tsy nisy baolina maty. Tsy nisy tolotra tsy azo ivalozana na «passe décisive» azony natao. Nahazo karatra mavo miisa 5. Izay tamin’ny ankapobeny no azo namehezana ny lalana nodiavin’ny lehilahy tamin’ity taom-pilalaovana nofaranany ity. Tontosa omaly kosa ny fifindràny ao amin’ny kliobany vaovao, Amed SK, divizionina voalohany ao Torkia. Maharitra herintaona ny fifanarahana ary azo avaozina, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany. Mirary ihany koa, raha mirary, araka izany, ireo mpitia baolina kitra malagasy sy mpankafy manokana an-dRakapy ny mba hitomboan’ny traikefany hatrany ao anatin’izao anjoria na «aventure» vaovao izao.
Nangonin’i J. Mirija