airtel

Sport

20-janv-2025

Rayan Raveloson

Novidian'ny Young Boys, klioba manao LDC

Sample post image

Ofisialy ! Nikopa-kelatra nakany amin'ny Young Boys Klioba divizionina voalohany

20-janv-2025

any Suisse i Rayan Raveloson, irakiraka afovoan'ny Barean'i Madagasikara, nilalao tao amin'ny AJ Auxerre tao Frantsa. Vita ny sabotsy teo ny fifanaraham-pifindrana ka 1,5 tapitrisa Ar no nividianan'ny Young Boys any Berne ity mpilalao 28 taona isan'ny Kapitenin'ny Barean'i Madagasikara ity, efa in-33 voaantso nandrafitra ny ekipam-pirenena. Klioba faha-5 ho an'i Rayan ny Young Boys hatramin'ny naha mpilalao matihanina azy, ka nilalaovany tao amin'ny Tours FC isan'ny namolavola azy nilalaovany nanomboka ny taona 2014 sy nahavitany lalao 90. Nifindra tao amin'ny Troyes izay Ligue 2 Frantsay ny 2018 tafakatra Ligue 1 ny 2020-2021 izay nandraisany anjara tamin'ny lalao 35/38 saingy naleony nisidina tany Etazonia nilalao tao amin'ny Los Angeles Galaxy. Nahavita lalao 44 tao, namono baolina 8 sy tolotra 2, ary niverina tany Frantsa nilalao tao amin'ny Ligue 1 niaraka tamin'ny AJ Auxerre, nivarina Ligue 2 avy eo tafaverina Ligue 1. Lalao 13 no vitan'i Rayan tao amin'ny Ligue 1 ho an'ny 2024-2025, ary baolina 1 no matiny izay baolina voalohany matin'ny Auxerre tamin'ity taom-pilalaovana ity. Hisedra ny Super League any Suisse indray izy, ary manana herijika hilalao amin'ny Ligue des champions na LDC, saingy eo amin'ny laharana faha-36 farany hatreto ny Young Boys, ka sarotra ny hiakarany amin'ny ampafavalon-dalana hatreto. Hihaona amin'ny Celtic Glasgow ny 22 janoary izao ho an'ny andro faha-7, ary hifampitady amin'ny Étoiles Rouges kosa ny 29 janoary izao ao anatin'ny andro faha-8 amin'ny Ligue des Champions, fifaninana lehibe indrindra any Eoropa. Alefa Rayan!
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Manomboka tafiditra tsara i Rayan Raveloson ao amin’ny BSC Young Boys

Card image cap
06-févr-2025

Ny alahady teo no niala teto Madagasikara ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena

Card image cap