airtel

Sport

29-juin-2023

Sport

Sazy manjo ny tsipy kanetibe Malagasy

Sample post image

Efa somary manokatra varavarana i Azéma

29-juin-2023

Kely sisa. Tsy ilay hira hoe Zandry a kely sisa akory fa ny mikasika ny sazy mampihantona ny kanetibe malagasy. Nazavain'ny filohan'ny Federasiona iraisam-pirenena, Claude Azéma. amin'iny antsipiriany ny fandehan'ny raharaha sy ny lesoka mila harenina. Raha vita ireo hoy ihany i Azéma dia azo eritreretina ny handrasan'i Madagasikara anjara amin'ny fiadiana ny ho tompodakan'i Afrika hatao any Bénin ny volana septambra ho avy io .Mandra-piandry ny tatitra vaovao izany dia tokony manova famindra ny FSBM ary miezaka mametraka daty ofisialy maromaro mba tsy hisian'ireo fifaninanana sokajiany fa mihoa-pefy. Nolazainy tamin'izany ireo fifaninanana karakarain'ny Orange izay tsy moanohana ofisialy ny FSBM akory. Raha ilaina hoy Claide Azéma dia hampakarinay aty amin'ny foiben'ny Orange aty Paris ny raharaha satria manome sary ratsy ny rafitra FSBM. Noteren'i Claude Azéma koa hanitsy ny tatitry ny fivoariambe (AG) izay tena tsy misy dikany. Tsy mazava hoy izy ny toe-bola toy ny miditra sy mivoaka, ny voka azo tamin'ny kara-pilalaovana, ny fanampiana isan-karazany. Tsy mazava toy izany koa ny latsakemboka avy amin'ireo mpikambana vaovao'. Tsy mety hoy ny FIPJP no nampidirana ireo mpikambana vaovao ao amin'ny FSBM nefa tsy nandalo fifidianana. Mikasika ny volan'i Dolys Randriamarohaja izay nantoka ny delegasiona manontolo tany Cambodge sy tany Togo izay nolazain'i Amir Andriamirolevason fa tsy misy hevitra intsony dia nilaza i Azéma fa mbola manankery iny ary tokony haloa. Naheno mantsy izy fa efa naloan'ny fanjakana Malagasy saingy tsy tonga tany amin'ny fianakavian'i Dolys ilay vola .Tsy dia mino izany aho hoy izy nefa tokony hamarinina ihany. Nodisoany koa i Amir raha nilaza fa io Lalaon'ny Nosy io no mety ahazoana kianja tena izy satria hoy izy efa manana ilay kianja "Orange" izay natain'ny lehiben'ny kaomisaona Fanatanjahantena eny Tsimbazaza, Andry Ratsivahiny. Farany dia tokony hanpitomboins ireo fifaninanana karakarain'ny FSBM mba tena hisy marina ny tetikasa hampandrosoana ny kanetibe eto Madagasikara. Raha izay no fipetrany dia mety hiala ihsny nu sazy satria dia hita fa tenin'olon-dehibe te hamerina ny ksnetibe malagasy eo amin'ny tena toerana izao nstson'i Azéma izao .
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2025

Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy

Card image cap