ho an'ilay mpiandry tsatoby malagasy, Sonny Laiton, ao amin’ny klioban’ny baolina kitra, Racing Union Lëtzebuerg, divizionina voalohany ao Luxembourg, raha ny fampitàm-baovao voaray. Anisan'ireo nahazo fotoana ilalaovana tamin'ny lalao ara-pirahalahiana izay nifanaovana tamin'ny ROC Meix-devant-Virton ny lehilahy, raha ny tati-baovao ihany. 26 taona moa ankehitriny ity kintan’ny fiarovana harato malagasy, izay nahagaga ireo mpitia kitra maro ny tsy niantsoana azy handrafitra ny ekipam-pirenena na Barean’i Madagasikara azy intsony, ity. Eo ny refy 1,91 metatra, izay tena mafonja. Na ny ara-batana na ny fomba filalao niaraha-nahita avokoa saingy heverina kosa nefa fa nanana ny antony izany ny mpanazatra Corentin Martins matoa tsy niantso azy.
Nangonin’i J. Mirija
Misokatra ho an’ny daholobe ny Casa Sport,