airtel

Sport

07-févr-2025

Super league Suisse

Tafiditra tsara sady nahafaty baolina sahady i Rayan

Sample post image

Manomboka tafiditra tsara i Rayan Raveloson ao amin’ny BSC Young Boys

07-févr-2025

mifaninana ao anatin’ny Super League Suisse. Manomboka mipetraka ihany koa mazava ho azy ny fitokisan’ny klioba sy ny mpanazatra azy satria tamin’ireo lalao 3 izay nataony, dia efa napetraka ho tompon-toerana avy hatrany izy tamin’ireo 2 farany. Namono ny baolina voalohany ho azy sahady i Rayan ny alarobia alina teo tao anatin’ny lalao fahatelo natrehany sy faharoa naha tompon-toerana azy, tafiditra tao anatin’ny andro faha-22 amin’ny Super League. Nanamontsana 6-1 an’i Yverdon ny Young Boys, ka i Rayan no namono ny baolina faharoa ho azy ireo teo amin’ny faha-9 minitra monja nilalaovana na dia ny toeran’ny vodilaharana afovoany aza no nametrahana ity mpilalao Malagasy mahafehy toerana maro ity. Isan’ny niasa mafy sy nisongadina nandritra ny lalao tamin’ny alalan’ny fanapahana ireo fanafihana nataon’ny Yverdonnois i Rayan. Nandritra ity lalao ity ihany koa no nanamontanan’ny Young Boys ny tifitra tsara mifanandrify tamin’ny « but » an’ny mpifanandrina na « tirs » ho an’ny taom-pilalaovana 2024-2025 satria nahatratra 29. Niakatra ho eo amin’ny laharana faha-7 vonjimaika ao anatin’ny Super League Suisse amin’ny alalan’ny isa 31 noho izany ny Young Boys, raha toa ka manana isa 31 kosa ny Lugano izay eo amin’ny laharana voalohany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina

Card image cap
21-mai-2025

Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena

Card image cap