airtel

Sport

31-juil-2025

Taranja Echec

Hitory ny Federasionina ny ligin’Analamanga

Sample post image

Misy tsy milamina eo anivon’ny ligin’Analamanga eo amin’ny taranja

31-juil-2025

Echec sy ny federasionina malagasin’ity taranja ity na FMGE, hoy ny fampahafantarana nataon’ny ligin’Analamanga omaly. Ny fototry ny olana, hoy ny fanazavàn’Andriananja Zo, sekretera jeneralin’ity ligy ity, dia ny fampiantsoan’ny ligin’Analamanga fihaonambe tsy ara-potoana na «assemblé générale extraordinaire» ny 14 jona 2025. Ny fankatoavana ny lalàm-pifidianana sy ny fananganana ny komitim-pifidianana no anton’io fampiantsoana io, hoy izy. Taom-pifidianana ho an’ny Echec ny 2025, na ho an’ny ligin’Analamanga io na ho an’ny federasionina. Nankatoavin’ny minisitera tamin’ny alalan’ny DRGS ny fampiantsoana. Nolazain’ny federasionina nefa fa tsy azo atao izany ary noraràny. Taorian’io fihaonambe io dia namoaka fampiantsoana CODIS na filankevim-pitsipika ny federasionina malagasin’ny lalao Echec. Rehefa nanao izany fampiantsoana izany izy dia nisy ny fanelanelanana nataon’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena tao Ambohijatovo, izay natrehin’ny federasionina malagasy sy ny ligin’Analamanga teo anatrehan’ny talen’ny kabinetran’io minisitra io. Taorian’ny fifanatrehana moa dia niziriziry tamin’ny heviny ny federasionina malagasy. Notazoniny ilay CODIS dia namoaka fanambaràna ofisialy ry zareo fa mandrava ny ligin’Analamangan’ny lalao Echec, manangana ny komity Ad’hoc, izay tiany hitantana ny ligin’Analamanga mandra-pahatongan’ny fifidianana, manasazy ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny ligin’Analamanga ihany koa. Nisy naoty navoakan’ny minisitera taorian’izay nandrava io CODIS sy komity Ad’hoc na komity manokana natsangan-drizareo tsy ara-dalàna io ary mandidy ny ligin’Analamanga hikarakara fifidianana. Mbola miziriziry amin’ny heviny, manao fampielezankevitra sy manentana ny klioba hiara-hiasa amin’io komity tsy ara-dalàna io hatramin’izao nefa ny federasionina. Mikarakara koa izy ireo tompondaka rejionaly eto Analamanga amin’ny alalan’io komity Ad’hoc io, izay fahefàn’ny ligin’Analamanga ihany nefa no afaka manao izany, hoy hatrany ny tenany. Tsy hijanona amin’izao ny ligin’Analamanga fa hitory any amin’ny rafitra heverina ho mahefa satria raisina ho fisandohana andraikitra ny fakàna vola sy ny fikarakaràna rehetra ataon’io komity tsy ara-dalàna io manoloana ny lalàna velona eto Madagasikara, hoy ny mpitam-bola, Ralivololona Hanitriniaina. Ny rafitra federaly dia ny avy any ambany no miakatra any ambony fa tsy hoe ny any ambony no manao teny midina amin’ny any ambany, hoy izy. Ny klioba no nangataka ny fihaonambe, hoy ny fanamarihan’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Randrianarisolo Jean Mickael.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique