airtel

Sport

09-juil-2026

Taranja Karate

«Federasionina lany daty

Sample post image

nefa mbola tsy menatra mitaky vola…»

09-juil-2026

Efa iaraha-mahita fa tapitra ny volana aprily teo ny fotoam-piasàn’ny federasionin’ny karate do eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny filohan’ny klioba, Mogka, ny Maitre Mihari-Ni-Rencho. Marihina, hoy izy, fa federasionina natsangana tanaty gidragidra taorian’ireny lalaon’ny nosy farany teo ireny io. Tany fiadanana no nanaovana amboletra nametrahana an’io federasionina io mandra-pahatonga ny fifidianana manaraka. Tsy notaterahan-drizareo nefa izany fifidianana izany fa notohizany ny fitantanana dia ry zareo foana no teo. Fantatry ry zareo nefa ny lalàna. Nisy ny taratasy nomen’ny tale tao amin’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena tamin’izany, Rosa Rakotozafy, an’andriamatoa Emile Ratefinanahary hoe eto ka hatreto no fotoam-piasàny, izany hoe, «certificat de conformité». Efa fantany fa ny aprily teo no tokony nifarana ny fotoam-piasàny saingy efa mahazatra an-drizareo moa ilay amboletra. Tokony hahafantatra ny zava-misy amin’ny federasionina tsirairay avy ny ao amin’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena. Mahagaga ny mbola haneken’ny minisitera ny hikarakaràn’io federasionina efa lany daty io ny fifaninanana iraisampirenena sy mbola ahafahany manao hetsika. Ny tena mampalahelo dia ny fakàna vola mihoam-pampana. Anaty fotoam-pianarana no hanaovana fampivondronana na «regroupement». Isan’ny akàna volabe ireo atleta ireo. Misy atleta tokony hisolotena an’i Madagasikara any ivelany ny farany teo, izay isan’ny nanome vola an-drizareo, nefa tsy nentina. Mampalahelo ny ray aman-dreny sy mpikatroka izany rehetra izany. 3 taona no nividy lisansa dia tsy misy fizaràna izany fa kase fotsiny no atao anaty pasipaoro nefa nolazaina hoe omena «ticket» na taratasy fanamarinana ireo klioba. Hananana porofo izany. Misy fitantanana tsy mazàva fa fakàna vola fotsiny ao. Izao indray ny resaka DIF sy DAF mbola misy eo amin’ny 60.000 Ariary eo ny vola aloha. 40.000 Ariary hanaovana fanadinana fa rehefa mivaly io vao mandoa 60.000 Ariary. Efa tsy tokony ho andraikitr’io federasionina io intsony koa ny fanaovana ny DIF sy DAF. Fakàna sy fitadiavam-bola izany ka takiana ny fitsirihana na «audit» ao amin’ny federasionin’ny karate. Fantatry ny minisitera ve ny 97-014, izay lalàna mifehy fanatanjahantena eto Madagasikara hoe isaky ny mifarana ny lalao olaimpika amin’ny fararano na «jeu olympique d’été» dia tapitra daholo ny fotoam-piasànan’ny mpitantana voafidy rehetra? Manolo ireo filohana seksionina na ligy tsy anaty fifidianana fa apetrapetraka fotsiny izao io federasionina io. Seksionina sy ligy maromaro eto Madagasikara izany izao tsy manana sertifika ahafahana miasa na «certificat de conformité». Farany teo izao ny seksionina Avaradrano niara-nanao fifaninanana tamin-drizareo ny sabotsy sy alahady teo. Fahotàna mahafaty nefa izany satria tsy tokony hisy fifaninanana alohan’ny fisiana fanadinam-panjakàna, ankoatran’ny hoe federasionina lany daty nefa mbola tsy menatra mitaky vola, hoy hatrany ity klioba ity.
J. Mirija Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

09-juil-2026

Mandeha ankehitriny ny fanomanana

Card image cap
07-juil-2026

Misokatra ho an’ny daholobe ny Casa Sport,

Card image cap
07-juil-2026

Tsy isalasalana, raha ny hita sahady

Card image cap
07-juil-2026

Mandeha ankehitriny ny fanomananaMandeha ankehitriny ny fanomanana

Card image cap