I Miotisoa Rasendra eo alon'ny vehivavy ary Tefy Ranja Rabarijaona eo amin'ny lehilahy. Raha fanasana manokana, wild card, no azon'ity farany mandray anjara dia tafiditra ao amin’ny tabilao lehibe kosa i Miotisoa noho ny laharany eo amin'ny sokajy junior eran-tany. Misy dia misy ny fanantenana indrindra ho an'i Miotisoa izay efa zatra fifaninanana avo toy izao. N'y tombony dia ny fananany mpanazatra efa matihanina satria dia efa an-toerana i Dina Razafimahatratra ilay Tale Teknika Nasionaly taloha. I Dina Razafimahatratra aza moa dia nantsoin'ny federasiona iraisam-pirenena hitazona ny toeram-piofanana any Sousse Tonizia saingy nolavina izany noho ny fitsinjovany ny fianaran-janany any Libreville Manana finoana aho amin'ny ho avin'ny tennis malagasy hoy i Dina izay nanamarika fa vao 16 taona sy tapany i Miotisoa.
Raha ny vaovao farany omaly hariva dia tafita any amin'ny ampahavalon-dalana i Miotisoa raha resin'ilay avy atsy Togo, Koffi André Digbefou kosa i Tefy Ranja Rabarijaona tamin'y seta roa, (5/7 ; 4/6). Lasa miady filaharana sisa i Tefy. I Miotisoa moa dia nandresy ilay Afrikanina tatsimo tamin'ny seta 2 noho 1 (6/2 ; 4/6 ; 6/1).
Clément RABARY
Mijanona ho mangidy, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Nicolas Dupuis, teo am-pahatongavana tao Douala, Cameroun, ny faharesena.
Tsy nisy dinika fa dia lasan'i Fulgence Rakotonirina indray ny fiadiana ny ho tompon-dakan'ny semi marathon notontosaina omaly maraina teto Antananarivo.
Isan'ny zokiny indrindra mbola milalao kanetibe i Davily na Rakotoarinoro William raha ny eto Betafo .Nodimandry ny sabotsy teo izy raha efa 86 taona.
Afa-baraka. Endrika tezitra no hita teny Mahamasina taorian'ny naharesy ny Barea 3 noho 0 omaly alakamisy.
Azo lazaina ho efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025 ny lalao miisa 3 farany ho atrehintsika manomboka amin’ny 27 martsa izao,