Tonga an-tanindrazana i Setratiana Bienvenu zanaky Kirano Ambalavao. Izy moa dia Tompondakan'i Afrika 2026 eo amin'ny taranja kick-boxing. Teo amin'ny sokajy latsaky ny 54kg Low Kick no nandrombahany medaly volamena, nandritra ny andiany faha-11 amin'ny fiadiana ny Tompondakan'i Afrika teo amin'ny taranja kick-boxing natao tany Yaoundé Cameroun ny 21-27 Jona lasa teo. Nakotroka ny fitsenana an'i Setra tamin'ny fahatongavany tao Ambalavao ny sabotsy teo. Notolorana 1.000.000 Ariary izy, avy amin'ireo orinasa sy malala-tanana, ho fankasitrahana ny zava-bitany sy ho fanohanana an'i Setratiana Bienvenu amin'ny fiomanany ny fiatrehana ny fiadiana ny amboara erantany amin'io taranja io izay hatao amin'ny faran'ity taona ity. Tsiahivina fa nandrombaka medaly 22 ny Malagasy nandritra io fifaninanana kaontinantaly io ka medaly volamena ny 14, volafotsy ny 3 ary alimo ny 5.
Jean D.
Setratiana Bienvenu, sady reharehan'Ambalavao no reharehan'ny Malagasy