airtel

Sport

28-avril-2026

Tsindrin'i Etazonia

momba ny Mondial 2026

Sample post image

Mangataka ny hanoloana an'i Iran hampidirana an'i Italie

28-avril-2026

Andro vitsivitsy lasa izay, nanao fangatahana tamin’ny FIFA ny mba hanoloanavan'i Iran amin’ny Mondial 2026 hatao any Etazonia, Meksika, Ary Kanada i Paolo Zampolli, iraka akaiky an’i Donald Trump. I Italie tian'izy ireo hapetraka eo amin’ny toerana. Ny antony nentiny dia ny hoe tsy tokony ho tafiditra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ny firenena iray izay mifanditra ara-diplomatika amin’i Etazonia, ary nanampy izy fa manana palmarès efatra ny Nazionale ka mendrika kokoa ny ho eo amin’ny toeran'ny mpandray anjara. Na izany aza, nanambara mazava i Gianni Infantino, filohan’ny FIFA, fa mbola handray anjara amin’ny fifaninanana i Iran ary tsy azo afangaro amin’ny politika ny fanatanjahantena. Iran, izay efa nahazo ny tapakila, dia nanamafy fa tsy hiala amin’ny Mondial ary nanondro ny fangatahana hanilika azy ho toy ny fahapotehana ara-moraly an’i Etazonia. Italie kosa, izay tsy tafiditra taorian’ny faharesena tamin’ny Bosnie-Herzégovine, dia mbola manantena amin’ny alalan’ity fanerena ara-diplomatika ity. Ny lalao voalohan’i Iran dia voalahatra amin’ny 15 Jona 2026 any Los Angeles hihaona amin’i Nouvelle-Zélande, ary mbola mitohy amin’i Belgique sy Égypte. Raha fintinina, mbola mijoro amin’ny fitsipika ny FIFA fa ny Mondial dia sehatra ho an’ny fanatanjahantena fa tsy fitaovana politika, ka tsy mbola misy fanapahan-kevitra hanoloana an’i Iran amin’i Italie. Mandeha kosa ny tsindrin'i Etazonia isan'ny mpampiantrano hanilihana ny Iranianina izay mangataka ny hanaovana ny lalaony any Meksika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

Nahavita ny azy ny tao Mandritsara

Card image cap
27-avril-2026

Tandindomin-doza ny baolina kitra ao Mahajanga

Card image cap