tompondaka eran-tany
Higadona an-tanindrazana anio Alakamisy 26 novambra ny ekipam-pirenena malagasy amin'ny taranja tsipy kanetibe avy nandrombaka ny amboara lehibe tompondaka erantany 2026 nandritra ny fifaninana andiany faha-52 natao tany Thaïlande ny 20 ka hatramin'ny 24 Novambra 2026. Hisy fitsenana manokana ny delegasionina malagasy eny ampahatongavana eny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato anio amin'ny 13h30 ary hiazo ny Sooatel 67ha hivantanan'izy ireo. Misy fiomanana sy ny fanentanana ireo filoha sy solontenan'ny klioba samihafa hifanotrona amin'izany miaraka amin'ny fanamian'ny klioba misy azy avy. Entanina hanao ny lokon'ny sainam-pirenena malagasy : fotsy, mena maitso ihany koa ireo fianakavian'ny mpilalao sy mpankafy tsy ankanavaka ho fanomezam-boninahitra ireto nitondra avo ny voninahi-pirenena ireo. Nandresy an'isa 13 noho 9 an'i Frantsa isika tamin'ny lalao famaranana ny Talata 24 Novambra teo, ka nibatana ny amboara. Nanao izay ho afany tamin'ny fanohanana ny ekipam-pirenena nandritra ny fifaninana ireo Malagasy vitsivitsy mila ravinahitra any Thaïlande. Tena navitrika tamin'izany, tsy nandala vola amin-karena i IARO Razanakoto, mpanamory fiarakodia sady tompondaka amin'ny sokajy GT3. Nanolotra vola 10 tapitrisa Ariary ho an'ny ekipam-pirenena malagasy izy ho fankasitrahana azy ireo tamin'izao amboara azo izao.
Jean D.