Malagasy, 10 taona aty aoriana
Roa taona taorian’ilay nofy ratsy tany Dijon izay naha tompondaka lefitra antsika rehefa resin’i Italie 12-13, azon’ny Malagasy ny anaram-boninahitra maha tompondaka eran-tany amin’ny sokajy « triplette » lehilahy, omaly 24 novambra tany Khon Kaen, any Thaïlande. Resin-dry Faralahy Urbain Ramanantiaray na Baloty, Herifanambinana Lova, Tendry Fitia Fanjamanovofifaliana, ary Liva Rakotomanana tamin’ny isa 13-9 ny Frantsay nahitana an’i Mickaël Bonetto, Christophe Sarrio, Ludovic Montoro ary Yohan Cousin. Vao vita ny baolina farany dia tsy voafehy intsony ny fihetseham-po tao amin’ny toby nisy ny malagasy. Teo amoron-kianja, sahirana nifehy ny ranomasony ny mpanazatra, Hery Ratsimba, noho ny halehiben’ny zava-bitan’ireo mpilalaony. “Mbola mitomany aho izao, mitomany noho ny hafaliana ho an’ny tanindrazako. Nahavita ny adidiny ireo mpilalaoko, ary tena nilalao tsara izy ireo”, hoy izy. Fanintelony izany i Madagasikara izao no nibata ny amboara eran-tany dia ny 1999, 2016, ary ny 2026. Azontsika ny amboara 10 taona taty aorian’ny nampiantranoantsika azy, nandrombahantsika izany ny taona 2016, izay nandresentsika an’i Bénin. Efa niatrika famaranana maromaro sy tompondaka lefitra, ka ny akaiky indrindra dia fiadiana ny tompondaka 2025, izay naharesen’ny Italianina antsika ny tany Dijon France.
LALAO NAHARITRA 97 MINITRA
Raha fintinina ny lalao omaly izay naharitra 97 minitra, nisy « mène » 12, dia tena notsiponina hatreo amin’ny mène faha-9 izay 2-0 ho an’ny Frantsay, lasa 2-3, 4-3, 4-5, 5-5,… Teo amin’ny « mène » faha-10 vao somary nisy elanelana be satria nahita isa 4 ny Frantsay, ka lasa 5-9, tratrantsika 9-9 teo amin’ny mène faha-11 satria nahazo isa 4. Teo amin’ny « mène » faha-12 no nibatantsika ny fandresena satria tsara dia tsara ny « pointe » voalohany nataon’i Tendry, nandany « boule » telo, ka na niezaka nanala izany tamin’ny « carreau » aza i Michael Bonneto, dia voavalin’i Lova, ka na niezaka nametraka « boule » iray farany natao « barrage ». Lany « boule » ny Frantsay, ka niezaka nametraka «barrage » tamin’ny iray sisa teny an-tanany, nanapaka ny antsika efa nisy roa nahazo teo amin’ny tany, kanefa mbola nisy telo teny an-tanana. Tafapetraka ilay « pointe » iray farany nataony, saingy tratry ny « carreau » nanome isa 12-9, ary nanipy iray farany fotsiny dia tratra ny isa. Azo lazaina ho lalao tena niady, izay somary nampitaintaina. Tsiahivina fa nanilika an’i Burkina Faso tamin’ny isa 13-6 isika tamin’ny manasa-dalana, raha nanilika an’i Thaïlande 13-12 kosa ny Frantsay, izay azo lazaina ho nanam-bitana, toa antsika tamin’ny ampahefa-dàlana izay nandresy an’i Sénégal tany amin’ny « mène » farany. Nanatombo kokoa tamin’ny fotoana nahafahana naka aina isika raha nitaha tamin’ny Frantsay. Azo lazaina ho tafiditra sy tena tao anatin’ny heriny avokoa ireo mpilalao, ary voaarina ireo lesoka teo aloha. Tena nilalao ny Frantsay, ary niezaka nanindry tamin’ny alalan’ny « carreau » nipetrapetraka nataon’i Michael Bonneto, fa tena tafiditra ihany koa ihany koa ny mpilalaontsika.
MANAMAFY NY MAHA IKOIZANA ERAN-TANY
Nisy ny adihevitra samihafa tany aloha, indrindra isika raraka aloha be tany amin’ny « tir de précision » saingy iny no heverina fa anisan’ny zezika nampiakatra ny hambo-po, ka tamin’ireo 10 natrehana, niainga tamin’ny fifanintsanana hatramin’ny famaranana, dia faharesena iray 6-13 ihany no tojo antsika. Nanamafy ny maha ikoizana eran-tany antsika. Tsiahivina fa efa tompondaka eran-tany lefitra tamin’ny « tête-à-tête » tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany tany Roma (2025) i Baloty. Nahazo medaly alimo (bronze) tamin’ny « doublette seniors » izy sy Lova tany amin’ny Mondial de Rome 2025. Nandrombaka ny Mondial La Marseillaise 2025 niaraka tamin’y Yves sy Tonnere i Lova. Ho an’i Tendry Fitia kosa dia tompondaka eran-tany sokajy juniors tamin’ny taona 2017, tompondakan’i Madagasikara amin’ny doublette 2026. Tompondakan’i Madagasikara amin’ny triplette 2026. Nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny « tir de précision » farany teo. Ankasitrahana ny ekipa rehetra tamin’ny vokatra azo, izay tena reharehan’ny Firenena !
Toky R