airtel

Sport

25-sept-2023

Tsipy kanetibe

Fety be miaraka amin'ny Vidy Varotra

Sample post image

Ho ambohipihaonan'ireo mpilalao kanetibe ny eny amin'ny kianjanlny PAC etsy Ampitatafika ny 4 sy 5 oktobra ho avy izao.

25-sept-2023

Nataon'ny orinasa ara-bakiteny mantsy ity lanonana ity ka nampitondrainy ny anarana Vatsy sy Tosika. Fifaninana andraisana olon-telo miaraka ilay saingy mba tsy hivoana amin'ny foto-kevitr'i Tahina Razafinjoelina hoe firaisankina dia mitambatra ny rehetra ary dia mahazo loka manokana ireo juniors, vehivavy ary ny zokiolona tonga ambony indrindra anaty fifaninanana. Mazava ho azy fa tsy maintsy hamorona ekipa matanjaka ireo lehilahy satria dia mahatratra efatra tapitrisa ny vola azon’ny mpandresy ary mbola miampy televiziona 32'. Ny faharoa kosa dia mahazo 2 tapitrisa miampy medaly raha telo hetsy ny fahatelo sy fahaefatra. Ny saran'ny fisorotana anarana izay hifarana ny 4 oktobra amin'ny 9 ora dia telo alina ariary. Ny firaisankina sy ny fifankatiavana no isan'ny nanosika ny Vidy Varotra hanao izao hetsika mbola tsy nisy nanao izao.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2025

Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy

Card image cap