Taorian'ny naha tompondaka eran-tany an'i Jean, Hery ary Newton dia mbola misy tokoa ireo mpandimby. Natao tao Antsirabe indray ny fifaninana natokana ho an"ireo sangany (combat des élites) ary dia lasan'ny Bouliste Club Ialatsara Ambohimahasoa izany saingy anarana ihany izany fa ankoatra an'i Tafita dia Betafo roa no nandrafitra ny ekipa dia Nary sy Lova izany. Mpitifitra telo izany no nalahatra ary nahitana vokatra satria resiny 13 noho 11 teo amin'ny famaranana ny ekipan'ny UBM nahitana an'i Bela, Liva ary Zakabe. Namporidihina moa ity fifaninanana hafa kely ity mba hijerena izay tokony hisolon-tena antsika any amin'ny fiadiana izay ho tompodakan'i Afrika sy eran-tany Tena tsara ilay hevitra saingy hatreto aloha dia tena mbola tsy fantatra na afaka ny sazy na tsia. Tsy voaasa tamin'ny fivoriana farany nataon'ny FIPJP aloha ny FSBM. Ny filoha Claude Azéma rahateo tsy dia ahitan-teny toy nu tamin'ny andron'i Dolys Randriamarohaja.
Clément RABARY
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona