airtel

Sport

10-oct-2023

Sport

Tsipy kanetibe Mitaraina ny CB Betafo

Sample post image

Tena tsy milamina ity FSBM tarihin'ny Amir Andriamilerovason ity! Izany ny feo mandeha eto amin'ny tontolon'ny tsipy

10-oct-2023

kanetibe eto Betafo taorian'ny ny nanovana indray ireo handrafitra ny ekipa ho any Bangkok. Resin'ny CB2A teo amin'ny famaranana tamin'ny isa 13 noho 12 ny CB Betafo nahitana an'i Randrianavosoa Ronaldinho. Efa nitarika 12 noho 3 anefa Betafo izay vao tratra. Ary na izay ihany aza dia tokony tamin'ity ekipa tompondaka lefitra no nakana ny mpilalao fahaefatra ho any Bangkok. I Randrianavosoa Ronaldinho rahateo no tena herin'ny CBB ity. Efa tompondakan'i Vakinankaratra ny tovolahy izay vao 17 taona. Efa nahazo ny Tsipy kanetibe Orange ihany koa niampy ny amboara tamin'ny fifaninana nataon'ireo tany miteny frantsay raha nisalotra ny akanjon'ny Lybie. Raha tsorina dia efa zatra ady saingy matoa niditra amin'izao hoe fenoina telo ireo mifanina ny ho mpilalao fahaefatra dia mety efa tsy anisany intsony ity zanak'i Betafo ity. Miady toerana amin'ny mpanam-bola mantsy satria dia avy ao amin'ny Besady Plus i Clarito Andriambelonony ary Fenosoa Antoine mpilalaon'ny BIC Ambohimahasoa no hifaninana aminy. Asa aloha izay hevitry ny mpanazatra Adrien fa mety ho vakiana fotsiny. Betafo anefa hatreto no betsaka mpilalao efa tompondaka eran-tany indrindra satria ankoatra an'i Jean dia tao koa Hery sy Newton tamin'ny juniors. Misy koa ireo efa tompondakan'i Madagasikara imbetsaka raha tsy hiteny afatsy Ndrema sy Nanah ary itompokolahy Dollys Randriamarohaja. Raha tsorina dua renivohitry ny tsipy kanetibe i Betafo ka na izany aza dia tsy tokony hiadin-kevitra ny handehanan'i Randrianaivosoa Ronaldinho. Sa ve atody miady amam-bato manoloana anli Besady sy Dr Zozo Ruchet Rakotovazaha izay fantatra fa hanampy amin'ny fandehanan'ny delegasiona any Thaïlande? Betafo moa mba ho aiza fa ny vidin'ny ovy izao no mba entina mamonjy ilay fampivondronana hatao any Antsirabe. Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2025

Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy

Card image cap