fatany teo daholo rehefa mety ho fifaninana any Frantsa. Teny niaky ny vazaha nanaovan'i Yves, Donald ary Hery Morondava azy ireo. I Jouffre ilay nandrombaka ny La Marseillaise farany teo anefa no nihaona tamin-dry zalahy nandritra ny famaranana ity fifaninanana tany Puy en Velay ity izay nahitana ekipa 512. Efa nitarika 7 noho 3 anefa ny Frantsay vao namoaka ny tena fahaizany ry Hery Morondava.Samy mahay ity tsipy kanetibe ity fa hafa ny manana mpilalao afaka mitondra ny fifaninana ka mametraka ny safidy hoe hotifitra sa tsia. Izay no tena mahamafy an'i Hery Morondava.Izy no mibaiko sy mankahery an'i Yves izay eo ampovoany ary i Donald no mitifitra .Misy fotoana koa anefa mitifitra daholo izy telolahy. Nijanona teo amin'ny 7 ny isa azon'ny vazaha fa nataon'ny Malagasy fampisehoana ny ambiny.Tena tsara ary lasa manontany tena indray ireo mpankafia marobe hoe tokony ho izt telolahy ireto no alahatra any amin'ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany any Dijon.Mety marina nefa dia apetraka amin'ireo manampahefana ny fandidiana. Ny Thaïlandais izao efa tonga manomana any Frantsa saingy ohatran'ny tsy niova fa toa ireo tompondaka fatany tany Dakar ihany. Safidy io fa dia miandry ny rehetra.
Clément RABARY
Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy