airtel

Sport

10-août-2026

Tsipy kanetibe

sokajy tanora

Sample post image

Hankasitrahana manokana ireo mpilalao tompondaka eran-tany…

10-août-2026

Nankasitrahana manokana ireo tanora Malagasy izay nahazo vokatra miavaka tamin’ny Fiadiana ny Tompondaka Eran-tany Juniors 2026 amin’ny tsipy kanetibe, notanterahina tany Santa Susanna, Espaina. Nigadona an-tanindrazana ny faran’ny herinandro teo izy ireo nahitana an’i Clarito, Eliot sy ireo kambana Nomena sy Nameno, nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy tamin’ny famaranana tany Espaina, ka nandresy tamin’ny isa 13-6. Tsiahibina kely fa nandraraka an’i Monaco (13-3), nanamontsana an’i Danemark (13-7) tamin’ny ampahefa-dàlana, ary nanilika an’i Thaïlande (13-8) tamin’ny manasa-dalana ny ekipa Malagasy. Ankoatra ny fandresena ny nibatana ny fandresena miezinezina, dia mbola nitondra medaly alimo roa fanampiny tamin’ny taranja « triplette mixte » sy « tir de précision » izy ireo. Tonga nitsena ny delegasiona tao amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, ho mariky ny fanohanana sy ny fankasitrahana avy amin’ny fitondrana. Tao aorian’izany, nandray sy nankasitraka azy ireo tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, nanasongadina fa ny zava-bitan’ireo tanora izay nanandratra ny voninahitr’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanambara fa hojerena manokana ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, indrindra ny boulodrome, mba hanohanana ny fampandrosoana ny tsipy kanetibe eto an-toerana. Hampitaina amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Michael Randrianirina ihany koa ny vokatra tsara azon’ireo tanora, miaraka amin’ny fangatahana hanomezana mari-boninahitra ho azy ireo, ho fanehoana ny fankasitrahana sy ny fanomezam-boninahitra ny ezaka natao.
Toky R
 

Dans la même rubrique