airtel

Sport

18-janv-2023

Sport

Tsipy kanetibe Vaky ny ady eo anivon'ny FIPJP sy FSBM

Sample post image

Tsy mifandray intsony n'y tadi-dokanga eo amin'ny federasiona iraisam-pirenena ny tsipy kanetibe ( FIPJP) sy ny federasiona malagasy. Raha tsorina dia vaky mihitsy ny ady satria dia mandrahona ny filoha Claude Azéma fa hanao

18-janv-2023

izay tsy hidiran'ny kanetibe mandritra ny Lalaon'ny Nosy ho avy io. Raha tsy misy ny vahaolana aroson'ny fanjakana malagasy na ny marimarina kokoa ny minisiteran 'ny Tanora sy ny Fanatanjahatena ny amin’ny tokony hamerenana ny volan'i itompokolahy Dolys Radriamarohaja mitentina 238 tapitrisa ariary izay laniny tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany vehivavy sy tanora tany Shanghai ary ny fiadiana tompondakan'ny Afrika lehilahy tany Lomé. Hatreto anefa dia nijanona ho fampanantenana ihany no nataon'ny Tale Jeneraly ny Fanantanjahantena, Rosa Rakotozafy, fa tsy mbola nisy na ariary aza naverina any amin'ny zanaky Dolys Radriamarohaja. Fantatry ny filoha amin'ny antsipiriany ny tantara ary diso fantany loatra fa tsy ny FSBM no fositra saingy tsy maintsy mampitahotra izy. Nolazainy ary fa hataony izay tsy hidiran'ny tsipy kanetibe ho isan'ny taranja hifaninanana mandritra ny Lalaon'ny Nosy. Hataony mifanindry fotsiny ny daty hanaovana ny Lalaon'ny Nosy sy ny fifanintsanana hiadina ny tompondaka eran-tany dia very i Madagasikara. Tsara marihina anefa fa tsy misy hidiran'ny zanak'i Dolys Radriamarohaja intsony ity resaka ity fa i Claude Azéma mihitsy no tsy manaiky ary mitaky ny fangaraharana amin'io vola tsy voaloa io. Hatreto aloha dia ho fahavoazana iray lavaka ho antsika Malagasy io satria medaly volamena sivy be izao izany no mety ho votsotra.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap