airtel

Sport

02-févr-2026

Warren Caddy

Niatrika lalao voalohany niaraka

Sample post image

tamin’ny FC Randers

02-févr-2026

Niatrika lalao voalohany niaraka tamin’ny kliobany vaovao ao Danemark dia ny FC Randers, divizionina voalohany amin’ny taranja baolina kitra ao an-toerana, sahady ilay lohalaharana malagasy, Warren Caddy, ny faran’ny herinandro teo. Tsiahivina fa vao tamin’ny herinandro teo ihany koa no tontosa ny famindràna azy tanteraka ao amin’ity kliobany vaovao ity rehefa nofaranana ny fifanarahany tamin’ny klioba nisy azy taloha dia ny Stade Lausanne Ouchy, divizionina faharoa ao Suisse izany. 11 taona amin’ity taona ity, raha atotaly no namolavolàna an’ity lohalaharana malagasy 28 taona, mirefy 1,83 metatra ity tanaty fifaninanam-pirenena eoropeanina, izany hoe tao Frantsa nandritry ny 9 taona, 1 taona tao Soisa ary izao hizatra ny fifaninanam-pirenena danoa izao indray. Nandresy 1 noho 0 ny klioban’i Rosenborg moa ry Caddy tamin’ity lalao natrehiny voalohany ity ary efa najoro ho tompon-toerana sahady teto ny lehilahy, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Misy komity milaza hikarakara fifidianana

Card image cap