mpitarika mendrika manerana ny Afrika na ny " Young African Leaders Awards 2023" na YALA Awards 2023, fifaninana karakarain’ny African Youth Architect. Manana solontena hiatrika izany i Madagasikara dia i Jimmy Ranitratsilo, ka nisy ny fandraisan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Atoa André Haja Resampa azy tao amin'ny biraony tao Ambohijatovo ny 28 aprily 2023, araka ny fampitam-baovao voaray. Ho fanohanana ity tanora mpitarika ity dia nanolotra ny tapakila izay hahafahany hihazo an'i Maroc ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ary nirary soa ho azy hahazo ny vokatra tsara ary hitondra avo ny voninahim-pirenena. Tetikasa miisa 30 moa no entin’ireo mpifaninana tafakatra famaranana, ka 14 ny amboara ho an’ireo voasafidy ho mendritra indrindra iza ho fantatra ny 12-13 may izao. Mifototra amin’ny tetikasa sy fandaharan’asa mitera-bokatsoa ho an’ny tanora ny fahatanterahany ny fifaninana, mifandraika amin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy na ODD napetraky ny Firenena mikambana sy ny Agenda 2063 napetraky ny Vondrona Afrikanina. Ahitana ireo Lehibena orinasa, ONG, matihanina ara-politika, mpampiasa vola, mpamorona sy mpikaroka mitondra zava-baovao ho an’I Afrika,… no mivondrona sy mandray anjara ao anatin’ny YALA Awards 2023.
Toky R
Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny
Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,
Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo