sata Iraisam-pirenena iarahana amin'ny "ISA"
Nolanian’ireo solombavambahoaka nandritra ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehana omaly ny Volavolan-dalàna laharana faha-003/2026 tamin’ny 27 Janoary 2026, izay manome alalana ny fankatoavana ny fanitsiana ny fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny angovo azo avy amin’ny masoandro, iarahan’ny Repoblikan’i Madagasikara amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Fiombonambe Iraisam-pirenena momba ny Angovo avy amin’ny Masoandro (Alliance Solaire Internationale - ISA). Efa nanomboka tamin’ny taona 2018 no isan’ireo mpikambana mpanorina ny ISA i Madagasikara. Ity fikambanana iraisam-pirenena ity dia mampivondrona ireo firenena manana harena lehibe amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro, ka mikendry ny hampiroborobo ny fampiasana izany loharanon-kery madio sy havaozina izany maneran-tany. Ny fototry ny fiaraha-miasa dia ny fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ireo firenena mbola eo am-pampivelarana ny sehatry ny angovo azo avy amin’ny masoandro sy ireo firenena efa mandroso amin’ny fitrandrahana sy fanapariahana izany teknolojia izany. Anisan’ny tanjona ny fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola, ny fampitana haitao maoderina ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo firenena mpikambana. Ho an’i Madagasikara manokana, heverina ho sehatra iray ahafahana manafaingana ny fampandrosoana ny angovo madio sy havaozina ity fanitsiana sy fanamafisana ny sata mifehy ny ISA ity. Vinaina amin’izany ny hampihenana tsikelikely ny fiankinan-doha amin’ireo angovo tsy azo havaozina, toy ny solika, sady hiantohana ny fahazoan’ny mponina angovo maharitra, azo antoka ary mahomby ara-toekarena. Araka ny fanazavana nomena nandritra ny fandinihana ny volavolan-dalàna, dia manokatra varavarana ho an’ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika avy amin’ireo firenena sy mpiara-miombon’antoka efa manana traikefa eo amin’ny sehatry ny angovo azo avy amin’ny masoandro ny fankatoavana ity sata ity. Tombontsoa maro no andrasana amin’izany, toy ny fampitomboana ny fampiasam-bola, ny fanafainganana ny famindrana teknolojia, ny famoronana asa ary ny fanamafisana ny fitomboan’ny toekarena nasionaly. Ankoatra ny lafiny ara-toekarena, nomarihina fa manan-danja ihany koa ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Amin’ny alalan’ny fanitarana ny fampiasana angovo madio dia antenaina hihena ny fandotoana vokatry ny fampiasana akora fosily, sady hihamafy ny fahaleovantenan’i Madagasikara eo amin’ny famatsiana angovo. Maneho ny finiavan’ny fanjakana hanamafy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy hampiroborobo ny tetezamita mankany amin’ny angovo maitso ity fanapahan-kevitra ity. Nosokajiana ho dingana iray lehibe izany ho amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra sy ny fanomezana herinaratra madio sy maharitra ho an’ny Malagasy.
Toky R