airtel

Toekarena

21-juin-2022

Toekarena

Antoko politika MMM “Mila ampiana ny sehatra tsy miankina”

Sample post image

Nifanakalo hevitra sy nifampihaino tamin’ireo mpianatra mpikaroka tao Fenoarivo atsinanana ny zoma teo sy tao Toamasina ny sabotsy 18 jona teo,

21-juin-2022

raha ny fampitam-baovao voaray omaly, ny antoko politika MMM. Marary ny firenentsika, hoy ny filohan’ity antoko ity, Hajo Andrianainarivelo, mantsy ireo mpianatra ary ianareo no vahaolana. Tsy ratsy izany politika izany fa natao hampandrosoana ny firenena. Ilaina ny avara-pianarana hitondra fanavaozana fa indrindra ihany koa hahafahana mitondra fomba fijery lavitra hanavotana ny firenena. Miasa saina amin’ny hoaviny noho ny tsy fisian’ny asa ireo mpianatra aty amin’ny ambaratonga ambony. Tsy voatery hiasa amin’ny fanjakana daholo ny olon-drehetra fa misy koa ireo any amin’ny sehatra tsy miankina. Eo no ilana ny fanampiana ny sehatra tsy miankina amin’ny famoronan-kasa. Mila hatsaraina ny kalitaon’ny fampianarana ary mahatsapa izany ireo tanora. Izany no antony hanoloran’ny MMM sosokevitra ny amin’ny tokony hanampiana hatrany ny sehatra tsy miankina, hoy hatrany ny filohan’ny MMM.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap