airtel

Toekarena

25-avril-2024

Fanatsarana ny fampidiran-ketra

«Ny fanisana voahaja manaraka ny fitsipika no fototra iaingana»

Sample post image

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

25-avril-2024

hoy ny sekretera jeneralin’ny Olafitr’ireo manam-pahaizana momba ny fanisana sy tetibola eto Madagasikara na OECFM, Razakamahefa hajaniriana, nandritry ny atrikasa niarahan’izy ireo tamin’ny foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra na DGI tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly. Ny fanisana voahaja manaraka ny fitsipika, hoy izy, no fototra iaingan’ny DGI. Misy atao in-droa miantoana ao anatin’izay. Ny orinasa aloha no manao ny fanisana. Tokony hitana fanisana ny orinasa tsirairay amin’ny lalàna mikasika ny varotra. Takian’ny sata ankapobeny momba ny hetra koa izay. Ny anjaran’ny matihanina momba ny fanisana na «expert comptable» dia manamarina ilay fanisana hoe mifanaraka amin’ny PCG 2005 ve? Manome fanamarinana na «certification» sy «attestation» avy eo. Mila mifampihaino aloha izany izahay 2 tonta dia ny OECFM sy DGI. Miisa 2 izany ny dingana. Voalohany, rehefa mifankahazo ny resaka eto dia ho soratany sy atao fiainana ary ho ampitaina amin’ireo mpandraharaha miara-miasa aminay. Raha manjavozavo kosa dia mety hiakatra any amin’ny fanatsarana lalàna, ohatra. Izay no antony nanoloran’ny DGI ilay fomba fiasa hoe misokatra satria tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana no ahafahana mijery vahaolana, hoy hatrany ny fanazavan’ity sekretera jeneraly ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nisokatra omaly ary tsy mifarana raha tsy ny 31 may izao ny fisoratana

Card image cap
02-mai-2024

Manome torolalana sy hampangarahara ny fanaovana raharaha ara-barotra ny PICM.

Card image cap