Tetikasa miompana amin’ny fanomezana fiofanana maimaim-poana ireo tanora Malagasy mikasika ny “fandraharana sosialy” na ny “Entreprise sociale” izy io raha fehezina. Betsaka tokoa mantsy ireo tanora mpianatra eny amin’ny lisea no tsy mahalala akory ny mikasika ny fandraharahana na ny “entrepreneurship” noho ity farany tsy anatin’ny taranja hianarany. Manana fahaizana anefa ny tanora Malagasy ary mangetaheta fahalalana hahafahany mandray an-tanana ny ho aviny sy ny ho avin’i Madagasikara, eo amin’ny sehatra ara-tsosialy, ekonomika, tontolo iainana ary indrindra ny fampandrosoana maharitra. Izany indrindra ny antony nananganana ity tetikasa ity hanomezana fiofanana ny tanora mikasika ny fandraharana sy ny hay-tarika (social entrepreneurship&Leadeship). Nosafidiana manokana ny faritr’i Moramanga hisitraka izany, rehefa hita fa betsaka ny tanora eny an-toerana no manana faniriana ny ho lasa mpandraharaha nefa tsy ampy fahalalana sy fahaizana manokana mikasika izany. Ho zava-dehibe tokoa moa ny akon’ity tetikasa ity, eo amin’ny fiainan’ny tanora sy ny firenena satria ho betsaka ny tanora hihanoka anaty fandraharahana sosialy, izay nambaran’ny fikambanana fa tombotsoa hiarahan’ny fiaraha-monina sitrahana.
Pati
Legende : Hofanina tahaka izao ireo tanora
Niroso tamin’ny fifanaovana sonia fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa