Tafakatra 3,7 miliara dolara amin’izao fotoana izao ny tahiry ara-bola an’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), izay manome antoka fa afaka mandrakotra mihoatra ny fito volana ny fanafarana entana ilain’ny firenena. Araka ny vaovao nozarain’ny fampahalalam-baovao an’habaka iray omaly, nambaran’Atoa Aivo Andrianarivelo, Governoran’ny BFM nandritra ny Semaine de l’éducation financière teny Ankatso, fa fahamarinan-toerana ara-bola tsy mbola nisy tao anatin’ny folo taona farany no voaorina. Tsiahivina fa tamin’ny faran’ny desambra 2025 dia 2,7 miliara dolara ny tahiry, niakatra ho 3,2 miliara dolara tamin’ny fiandohan’ny taona 2026, ary tonga amin’ny 3,7 miliara dolara ankehitriny. Io fiakarana io dia manamafy ny fahafahana ara-toekarena miatrika ny mety ho krizy na fihozongozona entin’ny tsio-drivotra iraisam-pirenena. Araka ny fanazavan’ny Governora, ny vokatra dia vokatry ny fepetra fanohanana ny asa ara-toekarena napetraky ny fanjakana sy ny fampitomboana ny loharanon’ny renivola vahiny, izay nampitombo ny fidiran’ny vola vahiny sy nanamora ny fitoniana ara-tsandam-bola. Ny euro dia miova eo anelanelan’ny 4 700 sy 4 800 ariary, raha ny dolara kosa eo amin’ny 4 300 ariary amin’ny MID (Marché interbancaire de devises) na ny tsenan’ny fifanakalozana ara-bola. Na dia misy aza ny mariky ny fanarenana ara-toekarena, dia nanamafy i Aivo Andrianarivelo fa tsy vitan’ny Banky Foibe irery ny mitondra ny firenena amin’ny lalana maharitra, fa mila fiaraha-miasa sy fiombonana ezaka eo amin’ny politikan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatsarana ny fivezivezen’ny vola sy ny famoronana harena eto an-toerana. Ny fanamby lehibe dia ny fomba hanararaotan’i Madagasikara ity tahiry ara-bola ity ho lasa hery manosika ny fampandrosoana maharitra.
DINIHINA NY HANOVANA HO 1000AR NY VOLA AMBONY INDRINDRA
Mandinika ny mety hanovana tanteraka ny rafitra ara-bola ny BFM, amin’ny alalan’ny famerana ny bilieta ambony indrindra ho 1 000 ariary. Ny tanjona dia ny hanamaivana ny fitantanana ny vola amin’ny fiainana andavanandro sy ny hampihenana ny isa aotra amin’ny sandam-bola. Raha tanteraka izany, ny bilieta vaovao 1 000 dia hifandray amin’ny lanja mitovy amin’ny bilieta lehibe amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny Governora Aivo Andrianarivelo, mbola eo amin’ny sehatra fandinihana mialoha ny tetikasa ary tsy maintsy atao ny fakan-kevitra mivelatra amin’ny vahoaka. Ny fanesorana ny bilieta 2 000 hatramin’ny 20 000 ariary dia heverina fa hanampy amin’ny famerenana ny lanja ara-psikolojika ny vola sy hanamora ny fifanakalozana. Araka ny tatitra nataon’ny BFM, ny bilieta 20 000 ariary no mandrafitra hatramin’ny 70% amin’ny fifanakalozana isan’andro, manaporofo fa efa mihena ny fahefana mividy ananan’ny olona. Raha tsy misy io bilieta io, dia sarotra ny fidirana amin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Ny vola madinika, indray, dia efa tsy dia ampiasain’ny olona intsony. Ny fanontaniana lehibe mipetraka dia ny hoe hanampy ve ny fanovana rafitra amin’ny fanatsarana ny toekarena sy ny fiainana andavanandron’ny Malagasy, sa hiteraka olana vaovao amin’ny fanao ara-barotra sy ara-tsosialy. Ny Banky Foibe dia manamafy fa tsy vitan’izy irery ny mitondra ny fanovana, fa mila fiaraha-misalahy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatanterahana azy.
Toky R