airtel

Toekarena

21-févr-2023

Toekarena

Banky Iraisam-pirenena Nandefa mpahay toekarena manao iraka eto

Sample post image

Nihaona tamin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian ny delegasiona iray mpahay toekarena

21-févr-2023

avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, nahitana an'Andriamatoa sy Ramatoa isany Luis-Felipe Lopez-Calva (Global Director Poverty and Equity), Pierella Paci (Practice Manager Poverty and Equity), Marco Hernandez (Practice Manager of Macroeconomic, Trade and Investment), ary Marie-Chantal Uwanyiligira (Country Manager), raha ny voavao navoakan’ny Fiadidian’ny Primatiora. Nidinika manokana mahakasika ny fivoaran’ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara ny roa tonta, ary nifanakalo hevitra momban'ny paikady hifehezana an'izany. Fantatra rahateo fa hanome tohana ara-bola ny Banky Iraisam-pirenena, hanatanterahana an'ireo drafi-pampandrosoana napetraka hitantanana ny firenena, araka ny tatitra hatrany. Hatreto, ny fampanantenana no betsaka, fa ny fiovany ho vokatra aloha tena mbola lavitr’ezaka. Vao andro vitsy ihany koa, ny faran’ny herinandro teo, dia nifampidinika tamin’ny Governemanta Malagasy ny avy amin’ny Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika niresahana ny resaka fifidianana sy ny politika eto, saingy mbola manjavozavo nyy resaka famatsiam-bola avy amin’izy ireo noho ny antony maro, ka anisany ny tsy fahatokisana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap