airtel

Toekarena

19-juil-2022

Toekarena

Bemolanga sy Tsimiroro Fotoana tsara hitrandrahana azy izao

Sample post image

Miharihary fa tsy afa-misaraka amin'ny fiainana ara-toekaren'izao tontolo izao ny resaka solika na efa misy aza ny ezaka mizotra tsikelikely amin'ny tontolon'ny fiara elektrika ataon'ny firenen-dehibe raha ny resaka famokarana

19-juil-2022

fiara, ao ny mirona amin'ny resaka nokleary amin'ny famokarana herinaratra,... Mizakazaka ny toe-draharaha raha ny eto amintsika raha vao miresaka fiakaran’ny vidin-tsolika. Nantenain’ny maro hitondra vahaolana ny fihaonana notarihan’ny Filoham-pirenena sy ireo rantsa-mangaika voakasik’izany, Niafara tamin'ny famerana ho ariary zato ny fiakaran’ny saran-dàlana ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Nisy nanaraka an’izay nolazain’ny Filoha, fa tao ihany koa anefa ireo nampiakatra telonjato ariary ary eny nisy saika hanao ambonin’izany aza. Tsy araky ny niheverana azy noho izany no niseho fa iaraha-mahita, samy manao izay tiany ireo mpitatitra. Samy miandry izay ho tohiny! Tetsy andaniny, nanaitra ny fanambaràna nataon’ny talen’ny Kabinetra eo anivon’ny fiadidiana ny Filohan’ny Repoblika Rtoa BaomihavotsE Vahinala Raharinirina ny faramparan'ny herinandro teo, fa efa eo an-dàlam-pandinihana ny fitondram-panjakana ny amin’ny hitrandrahana ny akora any TSIMIRORO sy BEMOLANGA. Maro ny Malagasy no velom-panantenana, tsy vitsy koa anefa ireo mbola mametsovetso ny hiran-dry Mahaleo “…rahoviana no hitranga I Bemolanga...”, ao ny milaza fa raha mitondra vahaolana tokoa ho an'ny firenena I TSIMIRORO sy BEMOLANGA, indrindra eo amin’ny famokarana herinaratra ho an’ny JIRAMA ny akora na menaka mavesatra ao TSIMIRORO, nahoana no navela niaina tao anatin’ny haizina sy tsy afaka miasa, mamokatra mandritra ny fotoana maro ny vahoaka Malagasy ? Nolazainy ihany koa fa tsy ahazoana afatsy tara na goudron fanaovan-dàlana ny any BEMOLANGA, dia nahoana no avela ho potika ny làlana eto Madagasikara raha tsy hiteny ny eto an-dRenivohitra sy ny RN1 Bis izay làlana mampifandray ny Renivohitra sy ny faritra Melakt izay ivon-toerana misy ireo harena voajanahary ireo ? Tena miandrandra sy manantena ny olom-pirenena fa hitranga tokoa angamba ny ao Bemolanga sy Tsimiroro atsy ho atsy. Eo anatrehan’ny zava-misy, ny fiakaran’ny vidim-piainana efa mampikaikaika ny Malagasy, ny saran-dàlana izay tsorina fa tena tsy ho zakan’ny fahefa-mividin’ny valalabemandry,... dia samy miandry ny vokatry ny ezaka ataon’ny fitondrana ny rehetra. Ahiana hitroatra mantsy ny vahoaka, ahiana ny tranga toy ny niseho tany ivelany ireny tahaka ny nitranga tany Sri-Lanka, Albanie,... Tokony hahita vahaolana haingana ny fitondram-panjakana mba tsy hisian’ny krizy vaovao hirefotra. Azo antoka manko fa noho io ady ifanaovan’ny Rosiana sy ny Ukrainiana io, dia tsy ho vita mora fa samy mizaka ny vokany ny firenena eran’izao tontolo izao. Tsy afa-miala amin’izany isika eto Madagasikara. Noho izany, tombony lehibe ho antsika ny fananana an’ireo harena voajanahary ireo, ary fotoana izao tokony hitrandrahana faran’izay haingana izany izao mba tsy ho mafy ny fiantraikan’io ady io amin’ny toe-karena sy ny sosialim-bahoaka, hoy ny mpandinika maro. Rariny loatra raha migoka ny tombontsoa avy amin’izany fitrandrahana any TSIMIRORO sy BEMOLANGA izany ny vahoaka Malagasy, hoy ny hafa. Ny solika any izay azo hanodinana ny milin'ny jirama, ary misy manam-pahaizana aza milaza fa mandalo "raffinerie" na fanadiovana dia mety ho azo ampiasaina amina fitaovana samihafa. Mbola tsy ampy ny filan'ny jirama ny famokarana saingy, fa mila hitarina<
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap