airtel

Toekarena

16-févr-2022

Toekarena

Edgard Razafindravahy « Hametrahana Parc industriel ao Ambatolampy »

Sample post image

Mitety faritra, midina ifotony, nandrisika ny mpandraharaha hiroso lalina kokoa ny Minisitra ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy.

16-févr-2022

 Nidina ifotony tany Ambatolampy toerana isan’ny iodinan’ny famokarana amin’ny endriny maro. Manana vokatra mampiavaka azy ny Distrikan'Ambatolampy tahaka ny fiompiana vorona matavy, ny fanamboarana vilany, ny fambolena Vary, ny ovy... Nisy ny fihaonany tamin'ireo Ben'ny tanàna, ny mpandraharaha, ny tantsaha omaly maraina. Nivoitra tamin’izany ny hanampiana amin'ny fanodinana ny vokatra ny fametrahana ny "parc industriel" any an-toerana. Efa vonona avokoa ny antontan-taratasy rehetra hametrahana izany, hoy ny fanazavana. Misy moa ilay vina sy fandaharan’asa ODOF (One District One Factory) izany hoe: ny distrika iray tokony hisy indostria iray farafahakeliny, izay irariana ho tonga amin’izany sy hihoatra lavitra aza satria tsy ny famokarana sy ny fanodinana ato anatiny no vahaolana ho an’i Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap