Izany no toloko sy tarainan’ireo mpanafatra entana madinika avy any Sina miisa 200 niresaka sy nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Efa ho 7 volana mantsy izao no tsy navoakan’ilay orinasa mpanelanelana ny entan’izy ireo na dia efa nanaiky azy ireto farany taorian’ny nandraisany taratasy avy amin’ny Fitondram-panjakana fa tokony hamoaka ireo entan’olona ireo. Raha tsiahivina kely moa ny tantara dia anisan’ny antony niteraka izany ny olana nisy teo amin’ity orinasa mpanelanelana ity sy ny fadin-tseranana. Mangatak’andro hatrany araka izany itsy voalohany ary tsy mbola nahita vahaolana mihitsy hatreto. Nilaza moa ireto mpanafatra entana madinika ireto fa hanao hetsika fitakiana goavana izy ireo raha sanatria ka mbola tsy voavaha ny olana ato anatin’ny fotoana vitsy. Tsiahivina moa fa saika kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny finday, akanjo, kiraro….ny ankamaroan’ireo entana mihitsoka ireo.
Pati
Sary fanehoana
Niroso tamin’ny fifanaovana sonia fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa