10 000 Ariary sy 20 000 Ariary ho tsangambato
100 taona lasa izay no nivoahan'ny vola taratasy Malagasy voalohany, navoakan'ny Banky Foiben'io Madagasikara. Hisy ny famoahana vola taratasy vaovao mitentina 10 000 Ariary sy 20 000 Ariary ho tsangambato entina hanamarihana izany. Fa mialoha izany dia manatanteraka fakan-kevitra momba ny hoavin’ny vola taratasy sy ny vola madinika ampiasaina eto Madagasikara ny Banky Foiben’i Madagasikara. Notanterahina tao amin’ny Port Academy Center (SPAT) izany ho an'i Toamasina ny Sabotsy 21 Novambra 2026. Tonga tao an-toerana nitarika izany ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Aivo H. Andrianarivelo, natrehin’ireo manampahefana sy olon-tsotra ary ireo nasaina manokana. Nomena fahafahana malalaka haneho ny heviny sy ny fomba fijeriny ireo mpandray anjara. Tanjona ny hanangonana ny hevitry ny mpandray anjara sy handinihana ny endrika ary ny hoavin’ny vola malagasy, mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra momba izany rehefa vita ny fanadihadiana rehetra. Nandritra io fihaonana io no nanambaran'ny Governoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara fa marin-toerana ny Ariary amin’izao fotoana izao eo anivon’ny toekarena Malagasy.
Jean D.
Fakan-kevitra tao Toamasina handinihana ny endrika sy ny hoavin’ny vola malagasy