airtel

Toekarena

20-juin-2023

Toekarena

Faha-50 taonan’ny Banky Foibe Tahirim-bolamena 4 taonina isan-taona no tanjona

Sample post image

Nosokafana tamin’ny alalan’ny lanonam-panjakana notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina omaly 19 jona 2023 ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Banky Foiben'i Madagasikara (BFM).

20-juin-2023

Raha mampahatsiahy kely ny tantara, dia isan’ny teraka tao anatin’ny “Accord de coopération” tamin’I Frantsa tamin’ny 04 jona 1973 tamin’ny fitondran’ny Amiraly Ratsiraka, ka nialana tamin’ny “Zone Francs” ny BFM. Ny fiandohan’ity taona ity no niala ny Governoran’ny BFM teo aloha Atoa Henri Rabarijohn ka Atoa Aivo Andrianarivelo no governora, izay nandray ny asany feno ny 03 febroary 2023. Nanatrika ny lanonana omaly moa ireo mpikambana vitsivitsy ao amin'ny Governemanta, ka anisany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Ramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo izay Minisitra mpiahy ny BFM sady mpiara-miasa akaiky aminy amin'ny alalan'ny Tahirimbolam-panjakana. Nampatsiahivin-dRamatoa Minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany fa andraikitry ny Banky Foiben'i Madagasikara ny : mitandro ny fahamarinan-toeran'ny Ariary, mandray anjara amin'ny fanamafisana ny rafitra ara-bolan'ny Repoblikan'i Madagasikara, ary manohana ny politika ara-toekarena ankapoben'ny Governemanta. Ankoatra izay, dia notsindriany ihany koa ny fiarahan'io Minisitera io sy ny BFM misalahy amin'ny fifampiraharahana amin'ireo mpamatsy vola, indrindra ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena.

VOLA VOLAMENA, TAHIRIM-BOLAMENA
Nandritra ity lanonana ity moa no nanoloran’ny Filoha ankehitriny ilay vola 50 Ariary volamena voalohany, ho mariky ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Volamena, “or doré” tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) milanja 1,3 taonina moa no nofaritana fa avadika ho “or monétaire”, izay tsy maintsy manaraka ny fepetra takian’ny fenitra iraisam-pirenena voafaritry ny London Bullion Market Association na LBMA. Naseho ny Filoha omaly ny “lingot d’or” voalohany eto Madagasikara izay milanja 12,5 kg. “Tanteraka ihany koa ankehitriny ny fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Andry Rajoelina dia fametrahana ny tahirim-bolamena na ny "réserve d'or nationale" ka volamena 4 taonina isan-taona farafahakeliny ny ho tehirizina ao”, hoy ny Fanjakana. Ny faniriana hoy ny Filoha dia ny mba hananan'i Madagasikara tahirim-bolamena 40 taonina farafahakeliny afaka 10 taona. Napetraka omaly ihany koa ny vato fototry ny asa fanitarana ny fotodrafitrasan'ity Banky Foibe eo Antaninarenina ity, izay nambara fa mba tsy haha mena-mitaha azy sy hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena takian'ireo Banky Foibe any ivelany.

Naseho voalohany omaly ireo vola 50 ariary volamena
VOLA BE SY HERY ARA-TOEKARENA RAHA VOAFEHY
Ny volana septambra 2022, nilaza Atoa Serge Zafimahova, mpamakafaka ara-toekarena sy ara-politika, fa volamena milanja 12 hatramin'ny 14 taonina no mivoaka isan-taona, kanefa 3,5 taonina amin'ireo no hita amin'ny tatitra fa ara-dalàna. Tsy mandehandeha ho azy, fa misy olona ambony heverina ho mitsikombakomba amin’ny trafika. Ny desambra 2022, namoaka ny Fitsarana momba ny kaonty fa 4,5 taonina ny volamena niondrana an-tsokosoko eto anelanelan’ny 2018 ka hatramin'ny 2021, ka nahatratra 2,5 taonina teo anelanelan’ny 2020-2021 fotsiny. Vola hatrany amin’ny 780 miliara no tsy niditra tamin’ny Kitapombolam-panjakana vokatr’izany. Na misy elanelana aza, miteny ny tarehimarika samihafa, ka asa na mba ho voavadika ho harena hanohanana ny toekarena tokoa ny volamenantsika na mbola ho ny omaly tsy miova ihany ?
SARY 3
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Niroso tamin’ny fifanaovana sonia fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa

Card image cap