airtel

Toekarena

19-juil-2021

Toekarena

Fahasahiranana noho ny valanaretina Tsy misy mangirana hatramin’izao ilay fanampiana ny orinasa

Sample post image

Miatrika olana goavana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny avy eo anivon’ny FISEMA nasionaly na firaisankinan’ny sendika Malagasy, sampana nasionaly.

19-juil-2021

 Eo ny tsy fisian’asa. Eo koa ny fahambanian’ny fahefa-mividin’ny mpiasa amin’ny ankapobeny, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Jose Randrianasolo. Ilaina ny fiaraha-midiniky ny mpiasa eto Madagasikara na ilay antsoina hoe “conférence des travailleurs de Madagascar”. Hisy ny fihaonana atao eo amin’ireo mpisehatra dia ireo mpikambana ao amin’ny CTM, ahitana ny FISEMA, ny FISEMARE, SECRIMA, PM, SEREMA, FPRMM, SMM, USAM, CSTM amin’ireo vondron’ny mpampiasa amin’ity herinandro ity, raha ny tokony ho izy, hiresahana mikasika ny sata mifehy ny asa na “code de travail” fa eo koa ny resaka fanampiana ny orinasa sy fahafahana mitana asa ary fampiakarana karama. Fanontaniana mipetraka koa moa ny hoe aiza ny anjara birikin’ny fanjakana hanampiana ireo orinasa mba hahafahany miaina kely taorian’ireny valanaretina ireny? Nisy ny fampanantenan’ny fitondrana mikasika izany fa tsy misy mangirana ilay izy hatramin’izao. Tsy azo tazanim-potsiny koa ny fiakaran’ny vidim-piainana fa tsy maintsy hiresaka karama ny sendika. Ny olana dia marary ilay mpiasa nefa rehefa manentana azy hanao fitakiana mafimafy ianao dia izy indray no tsy rototra. Ny fijeriny anao dia toy ny hoe ampiasain’ny mpanao politika na sahala amin’izany satria ny fahatsapan’ilay mpiasa mihitsy indraindray no mijanona ho fimenomenomany fotsiny. Matahotra koa ireo mpiasa hoe sao ho hita any anaty hetsika any ny sariny dia tsy sahy. Misy fitaizana mbola mila apetraka be ao anatin’ilay izy, hoy hatrany ny FISEMA.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Misedra olana administratifa amin’izao fotoana izao ny orinasa Madagascar oil,

Card image cap