airtel

Toekarena

20-nov-2023

Fampandrosoana an’i Madagasikara

Fitantanana tsy mahomby sy kolikoly no tena sakana

Sample post image

Tompondaka amina zavatra mampalahelo ary mampalaza ratsy azy i Madagasikara,

20-nov-2023

satria izy ireo no firenena nahtina fihenan’ny fahefa-mividin’ny mponina hatrany amin’ny 40% tao anatin’ny 60 taona (1960 - 2020). Midika izany fa niha nahantra hatrany ny Malagasy hatramin’ny nahazoany ny fahaleovantena raha jerena amin’ny ankapobeny , na dia nisy ihany aza ny fotoana hita hoe nisy zavatra nandeha teto. Fa dia io aloha no zava-misy rehefa ny tarehimarika, ny famokarana, ny fanondranana sy fanafarana entana ; ny sandan’ny ariary, ny fiainan’ny Malagasy no jerena.
TSY MIADY KANEFA MAHANTRA
Tena hoe mahagaga hoy ny manampahaizana satria firenena tsy nahitana ady an-trano tahaka ny fahita aty Afrika i Madagasikara, fa dia nih nahantra ihany. Heverina ho manodidina ny 75% ka hatramin’ny 80% eo ho eo ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara amin’izao fotoana, izany hoe roa avo heny amin’ny salan’isan’ireo firenena Afrikanina aty atsimon’ny tany efitr’i Sahara. Tsy fitsinjarana ara-drariny ny harena no anton’izany rehetra izany raha ny hevitry manampahaizana vahiny ; tenda-kanina loatra ireo mpisehatra eo amin’ny politika sy ny ekipa miaraka aminy ka aleon’izy ireo manao be fandrapaka ny zavatra kely misy toa izay hampitombo bebe kokoa ny harena iombonana hananana mba hahafahan’ny rehetra samy mahazo tombotsoa.
TSY FAHAIZA-MITANTANA SY KOLIKOLY
Fa eo ihany koa ny fanaovana ampihimamba, ny tsy fisian’ny fifaninanana sy ny tsy fisian’ny mangaraharaha amin’ny zavatra atao eto, raha ny fanehoan-kevitry ny solontenan’ny banky iraisam-pirenena teo aloha niasa teto Madagasikara , Rtoa Marie-Chantal Uwanyiligira. Tondroiny ho tompon’andraikitra ireo lohandohan’ny Mpisorona eo amin’ny tontolo politika sy ny sehatra ara-toekarena. Fa anisan’ny anton’ny mampahantra an’i Madagasikara ihany koa firongatry ny kolikoly amin’ny sehatra rehetra satria marefo ireo sampan-draharaham-panjakana mpanara-maso sy mpanasazy. Tsy ady an-trano, tsy loza voajanahary no mampahantra ny Malagasy toa izao fa ny tsy fahaiza-mitantana izay tsy mety ahitam-bahaolana hatramin’izao raha ny fahitan’ireo manampahaizana avy any ivelany, ary na ny eto an-toerana ihany koa aza dia mahafantatra tsara an’izany. Firifiry ny fanadihadiana narahana tolokevitra natao teto mba ilazana hoe tena miha mahazo laka ny kolikoly ka andao hanova fomba fiasa sy fomba famindra fa toa antso an-tany efitra izy ireny. Ny lalàna misy, ny rafitra misy fa ny fampiharana tsy misy. Tao anatin’ny 5 taona dia maro ihany ireo manampahefana sy tompon’andraiikitra voatonona tamina raharaha hafahafa ; misy ireo tranga tena mahagaga tahaka ny hoe volamena anaty coffre ana minisitera manjavona dia nivadika vy, tale kabinetran’ny filoham-pirenena voasambotra any ivelany ary niaiky fa nanao kolikoly, olona akaiky ny filoham-pirenena voatonona amina aferana volamena …maro be saingy tsy hita hatrany izay fiafaran’ny fanadihadiana fa ireo izay sahy milaza ny zava-misy indray no ambara fa tsy salama saina na hoe manakorontana firenena ka tonga dia gadraina.
FITONDRAN’NY AKAMAKAMA
Raha ny zava-nitranga vao haingana teoo izao dia tena nahavalalanina ny maro ilay fandinganana ny filohan’ny antenimierandoholona fa tonga dia hoe ny governemanta no mitantana ny firenena rehefa kandida ilay filoha am-perinasa. Tampoka teo indray niova ny filohan’ny antenimierandoholona dia nafindran’ny governemanta any amin’ilay filohan’io andrim-panjakana io indray ny fahefana. Ny HCC moa tsy nanisy olana tamin’ilay izy . Efa tena fanitsakitsahana ny lalampanorenana no misy eto hoy ireo vondron’ny kandida izay tsy manaiky ny fifidianana amboletra ; Fa dia io atao henjikenjika io ihany ny fifidianana sy ny famoahana ny vokatra ;Ny lonilony sy ny ahiahy tsy hihavanana anefa tena mbola mitoetra. Ka inona no Madagasikara tsy maintsy mandroso azo antenaina raha mbola tsy miova ny fomba fisainana sy ny fomba fiasa ?
RTT
 

Dans la même rubrique