airtel

Toekarena

16-avril-2026

Fampandrosoana ny firenena

Mila fanavaozana goavana

Sample post image

ny tontolon’ny fanofanana sy ny asa

16-avril-2026

Manodidina ny 3% ny tahan’ny tsy fananan’asa eto Madagasikara raha ny fanadihadiana farany natao tamin’ity taona ity no jerena. Azo atao hoe tsara izany, tsy mampatahotra saingy ny olana anefa dia miasa amin’ny sehatra tsy manara-penitra sy tsy manara-dalàna na asa tsizarizary ny 85% ny olona miasa eto Madagasikara. Etsy ankilan’izay dia tsy manana anton’asa mazava ny 42% n ;ireo tanora malagasy eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 35 taona , izany hoe ireo mbola tena ao anatin’ny heriny sy ny tanjany tanteraka tokony hamokatra no midororororo fotsiny. Tena nitombo be io tarehimarika io raha oharina ny tamin’ny zava-misy 5 sy 10 taona lasa izany hoe miha lehibe hatrany ny fahavoazana.
FIANARANA MIFANARAKA AMIN’NY TAKIAN’NY TSENAN’NY ASA
Rehefa jerena anefa toa maro be ireo tanora mianatra, manaraka fiofanana etsy sy eroa, mianatr’asa saingy vitsy ireo tena mahazo asa araka ny tokony ho izy sy mifanaraka amin’ny zavatra nianarany. Ny tsapa hoy ireo mpandraharaha izay nanontaniana dia tsy mifanaraka amin’ny zavatra takian’ny tsenan’ny asa ny ankamaroan’ny zavatra ianaran’ny ankizy sy tanora malagasy. Lasa ankapoben-javatra, miha vitsy ireo siantifika sy teknisiana, izay zavatra ahazoam-bola maika no maharoboka ny tanora , izay ilay vokatry ny fahasahiranana niainana nahartra tao an-tokantrano. Na ireo efa am-perinasa aza dia hita hoe mbola mila fanofanana ihany koa raha tiana hahazo vokatra tsara kokoa hatrany. Hatreto dia 262 800 ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara. Misy olona miditra miasa anefa dia mandray vola isam-bolana tena mbola ambanin’io : 200 000 ariary, 150 000 ariary, 100 000 ariary. Zara raha mahavita saran-dalana sy sakafo kely. Tsy misy hoe vola tahiry izany, raha sanatria marary dia mangataka tolo-tanana sy fanampiana, ny hoe handeha hilasa sasatra izany aloha dia efa nesorina tao anatin’ny loha.
ASA MANARA-DALÀNA
Tsy maintsy miasa, tsy maintsy mamokatra anefa ny olombelona ao aminy raha tiana handroso ny firenena, ary asa sady mampidi-bola ho an’ny mpiasa, orinasa sy ny fanjakana ilay atao, Samy mahazo tombony, mifameno dia mandeha ny fampandrosoana. Raha ny zava-misy iainana ankehitriny eto Madagasikara dia maro ny olona miasa sy mitady mba tsy ho faty, fa tsy tena hoe miaina ny fiainana.Asa itazonana aina no atao eto ho an’ny olona an-tapitrisany maro. Adidy goavambe no miandry ny mpampiasa vola,orinasa , sehatra tsy miankina sy ny fanjakana amin’ny fametrahana tontolo ahafahana mampiroborobo haingana ny fandraharahana sy ny fananganana orinasa, indostria goavana. Ireo izay nisafidy ny hiasa tena, tokony mahazo tohana sy fanampiana.Mazava ho azy tsy maintsy misy filaminana sy fitoniana, ary tsy mavesatra ny fikarakarana taratasy, mazava tsara ny fitsipaka, didy aman-dalàna. Ny zavatra tahaka izany no mandrisika ny olona hampiasa ny volany sy hamorona asa.
RTT
(Sary fanehoana)

 

Dans la même rubrique