tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Toekarena

Fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara Manampy betsaka ny sehatra tsy miankina

Nifarana omaly tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny atrikasa 3 andro nandinihina ny fampandrindrana ny fianarana sy asa atao.

17-févr-2023

Sample post image

Nisy tao anatin’izany ny fihaonana tamina sehatra samihafa toy ny minisitera, ny fiarahamonim-pirenena ary ny sehatra tsy miankina izay heverina fa toko telo mahamasa-nahandro mampahomby izany. Ho aravina, hoy ny fanazavan’ny avy eo anivon’ity tetikasa antsoina hoe “Jeunesse malagasy compétente au travail” na JMCT ity, ny fifanakalozana tamin’ireo sehatra rehetra ary mbola hisy ihany koa ny fotoana hiverenana hiantsoana ny rehetra hampahafantarana izany. Araka ny fanazavan’i Patrick Razakamanana izay manam-pahaizana manokana na “expert” kanadianina avy amin’ny Université du Québec à trois rivière ao Kanada dia ny hampifarimbona ny fomba fiasan’ireo toko 3 mamasa-nahandro voalaza teo no tanjona ao anatin’izao tetikasa JMCT izao. Hampitomboina ny traikefa sy fahaizan’ny mpianatra rehefa mivoaka izy, hoy ity manam-pahaizana ity. Fiaraha-miasa akaikin’ny fampianarana sy ireo sehatra mandray ireo mpianatra ary ny fanjakana mandray ireo mpianatra ofanina ihany koa no isan’ny votoatin’ny tetikasa na ilay antsoina hoe “Alternance travail-étude”. Betsaka ny maodely azo isafidianana momba izany ka ny nahafinaritra tamin’ireo mpisehatra dia ny fifanarahan’ny rehetra fa hampihatra ny maodely mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara mba hahafahana mampandroso ny toekarenan’i Madagasikara satria iaraha-mahalala fa manampy betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara ny sehatra tsy miankina, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija
Legende: Tetsy amin’ny hotely Colbert omaly

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Ala nenina farany ilay BTS Mety hamidy ny Jirama raha tsy tafavoaka…
02-juin-2023

Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena

Card image cap
Banky sy MVola Lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola
02-juin-2023

Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na

Card image cap
Tsenabe ho an’ny fetin’ny reny Nisokatra omaly ny la grande braderie de Madagascar
02-juin-2023

Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny

Card image cap
Fifanakalozana ara-barotra eto Afrika Fanamby ny hahatanterahan’ny ZLECAF
01-juin-2023

Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana

Voir plus