airtel

Toekarena

26-mai-2025

Madagasikara

Hiditra amin’ny « e-ariary », vola nomerika

Sample post image

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM)

26-mai-2025

fa miditra amin’ny dingana fanandramana ny fampiasana ny e-Ariary, endrika nomerikan’ny vola malagasy. Tsy vola taratasy na vola madinika azo tanana izy io, fa vola ara-dalàna mitovy lanja amin’ny ariary, saingy ampiasaina amin’ny alalan’ny rafitra dizitaly. Tsy tokony hafangaro amin’ny vola ampiasaina amin’ny "mobile banking" izy satria vola ara-dalàna tokoa, fa amin’ny endrika elektronika, hoy ny fanamarihana. Tanjona lehibe amin’ity tetikasa ity ny hanamaivanana ny fivezivezen’ny vola mivaingana sy hampidina ny vidin’ny asa ara-bola toy ny fandefasana sy fandraisana vola amin’ny fantsona samihafa. Ho fanampin’izany, kendrena ihany koa ny hiadiana amin’ny kolikoly sy ny fanatsarana ny fifehezana ny toe-karena. Araka ny nambaran’ny governora Aivo Andrianarivelo, dia zava-dehibe ny fahafantarana ny fivezivezen’ny vola rehetra eto amin’ny firenena satria “ny vola rehetra dia tokony fehezin’ny BFM”. Tsy hanaisotra ireo rafitra efa misy ny e-Ariary fa hifameno amin’ireny. Hatao azo ampiasaina amin’ny sehatra rehetra eo amin’ny fiainam-bahoaka, toy ny fandoavana saran-dalana, faktiora toy ny an’ny Jirama, entana eny an-tsena, karama, ary hatramin’ny fisotroan-dronono. Notanterahina teny amin’ny Lapan’ny Tanàna ny faran’ny herinandro teo lanonana fampahafantarana ofisialy ny e-Ariary, izay midika dingana lehibe amin’ny fanavaozana sy fanatontoloana ny rafitra ara-bola malagasy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Noraisin’ny tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar omaly,

Card image cap
04-juin-2025

Hotanterahina eto Antananarivo, eny amin’ny Novotel Convention Center, ny SADC

Card image cap