airtel

Toekarena

08-juin-2023

Toekarena

Fampiasana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara

Sample post image

Mila sokafan’ny fanjakana ny lalàna hamokarana angovo»

08-juin-2023

Efa ela no niresahana fa ampy hampandrosoana ity firenena ity ny harem-pirenena eto Madagasikara. Ny filohan’ny tetezamita ny taona 2009, Andry Rajoelina, mihitsy aza moa no nanantitrantitra tamin’izany fotoana fa tamin’ny andron’ny Ntaolo tsy nisy an’izany AGOA na fanampiana avy any ivelany izany nefa tafavoaka. Mahagaga anefa ankehitriny fa dia io izy sy ny fitondrana lasa mirehareha isaky ny hoe mahita famatsiam-bola io indray. Tsy ampy hampandrosoana an’i Madagasikara sy hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy tokoa ve ny harena an-kibon’ny tany eto? Tena tsy azo heritreretina intsony ve ny ahita izany fisitrahana fampianarana sy fitsaboana maimaimpoana izany? Tsy mila famatsiam-bola izany fanorenana fotodrafitrasa izany raha ny hita any amin’ireo firenena arabo malaza tompon’ny solika, ohatra, no jerena. Manao ahoana ny eto amintsika? 2000 Euro eo ankehitriny ny 3 grama amin’ny safira, raha ny fanadihadiana natao. Isan’ny harena an-kibon’ny tany misy eto izany ary tany amin’ny faramparan’ny taona 1990 no nalaza ny fitrandrahana azy. Malaza koa ankehitriny fa manana oranioma ilay firenena ary isany tokony ho antony tsy hatao mahagaga amin’ny fisisihan’ireo orinasam-pitrandrahana sasany vahiny hitrandraka eto izany na dia isan’ny olana goavana ambara matetika aza ny lafiny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny maro. Araka ny fanazavan’ireo tekinisianina koa dia na mamoaka solika amina barila 100.000 isan’andro ao Tsimiroro aza isika dia tsy ho lany ao anatin’ny 20 taona izany. Solika azo amin’ny menaka mavesatra eto no resaka. Voizin’ny tandrefana ho mandoto tontolo iainana moa itony karazana angovo amin’ilay antsoina hoe «énergie fossile» itony. Tena izay tokoa ve sa antony hafa no tena ampirisihina ny olompirenena hampiasa angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro amin’izao fotoana? Ny 80% eo ho eo amin’ny fandanian’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA no tombanana fa mifantoka amin’ny resaka solika. Ny 15% mahakasika ireo samihafa toy ny karaman’ny mpiasa sy serasera samihafa ary ny 5% izany sisa no mety mahakasika ny fikojakojana sy fanarenana samihafa. Ny 80%n’ireo fitaovana ireo koa na ny maherin’izay aza mampametra-panontaniana hoe mbola an’ny fanjakana malagasy madiodio ve sa efa ofaina amina sehatra tsy miankina hafa? Sehatra tsy miankina vahiny koa sa mba malagasy ihany? Moa ve anefa misy fampandrosoana azo antenaina raha tsy tomombana ity resaka angovo ity? Toy izao manaraka izao ny fanazavan’ireo manam-pahaizana sy efa mpitantana izany sehatra izany teo aloha.

NATHAN RAVEL (MPAHAITOEKARENA)
«LASA MANENTSINA NY BANGA NO ATAO»
«Tsy mipetraka mazava ny «politique énergétique» na politika momba ny angovo kasain'ny mpitondra atao eto Madagasikara. Vokatr'izay lasa manentsina ny banga no atao. Tsy ampy hamatsiana ny tokantrano sy ny orinasa ny famokarana. Lafo loatra ny vidiny hamokarana ny angovo, hany ka na hanaovana ezaka aza ny jirama dia tsy hahafa-po na «rentable» mihitsy. Lasa miankin-doha amin'ny fanafarana solika, izay miakatra foana ny vidiny manerantany vokatry ny odidina iraisampirenena na «contexte international». Ny angovo anefa dia hery lehibe iankinan'ny orinasa sy ny indostria, manamora ny famokarana ataon'izy ireo, mampirisika ny mpampiasa vola ihany koa raha ampy sy mora vidy. Tokony ialana tsikelikely ny famokarana angovo mifototra amin'ny solika. Manana loharanon'angovo madio azo havaozina sy azo trandrahina isika, toy ny masoandro, ny rivotra, ny «source d'énergie verte» na loharanon’angovo maitso sy ny maro hafa. Mila mampiasa vola amin'izany ny fanjakana satria tsy vitan'ny orinasa tsirairay izany. Mila sokafan'ny fanjakana koa ny lalana ahafahana mamokatra angovo madio azo havaozina, izany hoe hamorainy. Fehiny, tsy afaka handroso ny tontolon'ny fandraharahana sy ny indostria raha mbola misy olana amin'ny famatsiana herinaratra toy izao isika.»

GERARD ANDRIALEMIROVASON (PCA JIRAMA TEO ALOHA)
«EFA TARA LOATRA ILAY VAHAOLANA»
«14.000 taonina ny menaka mavesatra ilaina hampiodinana ny JIRAMA. Tsy mahatakatra afa-tsy 8000 taonina anefa ilay orinasa. Lojika raha mbola hiakatra 42%, noho izany, ny tahan’ny delestazy, izany hoe adin’ny 10 any. Sahofika sy Volobe mbola tsy miodina nefa efa tokony nahetsika tany amin’ny taona 2000 tany ho any. Efa tara loatra ilay vahaolana.» Toy izao manaraka izao kosa ny fafana nanehoan’ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy loharano stratejika teo aloha, Brice Randrianasolo, ny mety ho tahan’izay harena an-kibon’ny tany hananantsika izay sy ny tokony hampiasana azy. 3 andro monja ihany moa no naha minisitra ity farany ny volana aogositra 2021, raha tsiahivina.

Nanangona sy nandrindra : J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap