airtel

Toekarena

23-août-2024

Fampiroboroboana ny indostria

Isan’ny lalana mankany ny resaka politekinika

Sample post image

An-taonany maro izay no liana mankany amin’ny tontolon’ny politekinika ny tanora,

23-août-2024

hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly tsy miankina iray momba izany nandritry ny hetsika momba ny fampianarana ambony sy fampiofanana tetsy Ankasina, 67ha, omaly. Resena lahatra ihany koa, hoy izy, ny tanora hiditra amin’izany satria ny fahafehezana izay tontolon’ny politekinika izay dia isan’ny fanoitra ihany koa mora ivelaran’ilay tanora ao anatin’ny sehatry ny asa. Izay no hampirisihina ny tanora hiditra ao anatin’ny sehatry ny fandraharahana. Hafa mihitsy izany mpandraharaha mahafehy ny asany, indrindra, ny tontolon’ny politekinika izany. Taona maromaro izao no efa niresahana ny fidiran’i Madagasikara tao anatin’ny antsoina hoe «industrialisation» na fampiroboroboana indostria. Isan’ny lalana mankany ny resaka politekinika. Mandroso isika fa mandeha tsikelikely satria raha eo amin’ny resaka fahalinan’ny mpianatra dia tsapa fa mitombo ny isan’ny mpianatra manovo fahalalana any amin’ny fianarana politekinika. Ao aminay manokana izao dia mitombo foana ny isan’ny mpianatra misoratra anarana amin’izany. Mitombo koa ny isan’ireo sekoly lehibe misehatra amin’ny politekinika. Ny politekinika nefa mifototra amin’ny resaka fampiharana na pratika dia ny eo amin’ny lafiny fitaovana izany no mila ampiroboroboina kokoa. 31 taona izay no niorenanay. Miisa 300 isan-taona eo no mpianatra liana amin’ny politekinika raha ny hita ato aminay manokana. Efa tafakatra hatrany amin’ny 1700 na 1900 any foana no isan’ireo miditra ho taona voalohany. Ny olana dia lasa kolontsaina eto Madagasikara ny hoe asan-dehilahy ny politekinika. Raha ny hita ao aminay manokana nefa dia efa mifanahantsahana izay tanora lahy sy vavy miditra amin’ny fianarana politekinika izay. Ny «débouché» na lalan-kasa ao anefa aza no tena mazava be indrindra, raha oharina amin’ny sampam-pianarana hafa satria vao miditra taona voalohany ianao dia efa mahafantatra hoe tsy maintsy ity izany no hiafarako. Efa fantatrao hoe ireto avy no azoko atao. Raha hanangana orinasa aho dia izao no hanaovako azy. Raha hiasa amin’ny orinasa dia ireto avy no orinasa mifandraika amin’ity marim-pahaizana ananako ity. Ao aminay izao misy lalam-piofanana miisa 19. Afaka misafidy ny sampana politekinika, mazava ho azy, ny safidy na «série» C, D, siantifika sy tekinika. Misy safidy toy ny A2 nefa, ohatra, afaka manao lalàna na «droit» sy fitantanan-draharaha na «technique des affaires» sy fizahantany. Afaka manao biotekinolojia sy agronomia na fambolena koa izy. Ny informatika, ny «génie industrielle», ny «génie civile» sy haitaotrano na «architecture» dia natokana ho an’ireo mpianatra nanao safidy C, D, siantifika sy tekinika, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-mai-2025

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM)

Card image cap