airtel

Toekarena

05-mars-2024

Fanadiovana ny tanànan’Antananarivo

Hitondra tohana 25 miliara Ar anatin’ny 4taona ny Japone

Sample post image

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly 04 martsa 2024 tetsy Ampasampito

05-mars-2024

ny fitaovana avy amin’ny Governemanta Japone hoenti-manadio ny tanànan’Antananarivo. Ireto avy ireo fitaovana ireo : 32 camions multi-bennes, 6 camions, 2 camions bennes, 1 bulldozer, 2 excavateurs, 189 bacs à ordures, 2 picks up, 8 motos. Tafiditra anatin’ny tetikasa GESDA (Gestion des Déchets Solides pour la Ville propre à Antananarivo). Vatsian’ny Japone vola 25 miliara Ar ao anatin’ny 4 taona ny tetikasa, ka amin’ny desambra 2026 no hifarana. Hatomboka amin’ny aprily ny fametrahana tetikasa andrana na « projet pilote » amin’ny fanangonana ny fako, maodely hapetraka eto Antananarivo, ka hatomboka eny amin’ny Fokontany Ampefiloha. Isan’ny fitaratra amin’ny fahadiovana sy firindran’ny tanàna ny Japonais, ary efa tena ampy fanabeazana ny amin’izany ny mponina any aminy, ka mendrika halaina tahaka. Ny 80%n'ny fako ao amin'ny tanàna Kamikatsu ohatra, dia tsy verivery fa averina aodina avokoa. Efa am-polo-taona maro izay no nametraka paik'ady hiadiana amin'ny fandotoana tanàna ny lehibe any an-toerana. Ny mponina rehetra manatitra fako, azo aodina, any amin'ny tompon'andraikitra dia mahazo solom-bola afaka ampiasaina hiantsenana ao an-tanàna ihany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap