airtel

Toekarena

16-juin-2026

Fanarenana ny seha-pihariana

lavanila Hampiasaina ny

Sample post image

38 tapitrisa dolaran'ny AVM

16-juin-2026

Ho ampiasaina hirosoana amin’ny famahana ny olan’ny tahirin-davanila be loatra ka mahatonga ny fitontonganan’ny vidiny ny 40%-n’ny volan’ny AVM na Alliance pour la Vanille de Madagascar. Anatin’ny olana lehibe hatrehina amin’izao fotoana izao ny tsy firindrana eo amin’ny tsena sy ny fisian’ny tahiry lavanila voakarakara na “vanille préparé” tsy voavidy eny anivon’ireo mpanondrana. Hetsika vaovao no napetraka: hisy ny masontsivana hifidianana ireo mpandraharaha mpanondrana entana, ao anatin’ny mangarahara, amin’ny alalan’ny “appel à manifestation d’intérêt”. Lavanila voaomana hatrany amin’ny 600 taonina no hovidiana amin’ireo mpandraharaha, ary anisan’ny mason-tsivana ny fividianana lavanila maitso amin’ny mpamboly hatrany amin’ny 3000 taonina. Fanapahan-kevitra voalohany noraisin’ny AVM nandritra ny fivoriana tany Antalaha sy Sambava ny hidirany amin’ny famahana ny olan’ny lavanila amin’ny maha-rafitra mpandrindra azy. Raha mitotaly 38 tapitrisa dôlara ny vola ao amin’ny kitapon’ny AVM amin’izao fotoana izao dia hozaraina toy izao ny fampiasana azy: 40% hividianana lavanila voakarakara, 30% hanatsarana ny fotodrafitrasa indrindra fa any amin’ny faritra mpamokatra, 25% hitadiavana lalam-barotra sy hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra, 5% ho tahiry hampiodina ny AVM, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Rtoa Haingotiana Andriamadison. Raisin’ny AVM amin’ny vidiny 140 000 Ar ny iray kilao amin’ny lavanila mainty, 125 000 Ar ny lavanila mena, ary 70 000 Ar ny lavanila vaky. Ny tantsaha kosa mivarotra lavanila maitso lava amin’ny 10 000 Ar sy lavanila maitso fohy amin’ny 5 000 Ar. « Tao anatin’ny marimaritra iraisana no nandraisana ireo fanapahan-kevitra mba hijerenana ny tombontsoan’ny daholobe, na ny mpamboly izany na ny mpikarakara na ny mpanondrana », hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) sady Filohan’ny AVM, Haingotiana Andriamadison. Toromariky ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ny handravana ny ampihimamba eo amin’ity seha-pihariana lavanila ity. Napetraka ny rafitra vaovao nasolo ny CNV teo aloha. Ao anatin’ny AVM dia voasolo tena ny rafi-panjakana samihafa sy ireo mpisehatra amin’ny lavanila.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-juin-2026

Mivonona amin'ny fifidianana sy ny dinika nasionaly

Card image cap