Na eo aza ny fandrosoan’i Madagasikara eo amin'ny resaka fanatsarana ny fangaraharana ara-tetibola dia miaina fihenana mampanahy isika eo amin'ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena amin'ny dingana mifandraika amin'izany. Io no nisongadina tao anatin’ny vokatry ny fanadihadiana "Open Budget Survey" (OBS) ho an'ny taona 2025, izay izay notanterahan’ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena MSIS Tatao, teo ambany fandrindran'ny Budget Partnership (IBP) ary nahazo fanohanana avy amin'ny UNICEF sy ny Vondrona Eoropeana natolotra androany tetsy amin’ny Carlton Anosy. Teboka telo no nifantohan’ny fanadihadiana. Ny fahafahan'ny besinimaro mahazo vaovao momba ny tetibola, izay mandrefy ny fangaraharana eo amin'ny tetibola. Ny fahafahan’ny olom-pirenena mandray anjara amin'ny raharaha momba ny tetibolam-pirenena izay maneho fandrosoana eo amin'ny fandraisan'ny olom-pirenena anjara sy ny firotsahan'ny fiarahamonim-pirenena amin'ny dingana famolavolana ny tetibola izany. Farany ny anjara asan'ireo sampan-draharaha mpanara-maso ny tetibolaindrindra fa ny Parlemanta sy ny Fitsarana misahana ny kaontim-panjakanaeo amin'ny fanaraha-maso ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana. Notsindrin-drtoa Manda Razafinjato, Teknisianina eo anivon’ny MSIS TATAO fa ireo laharam-pahamehana tokony hisy eto amin’ny firenena izay voafaritrin’ny tetibola dia tokony mamaly ireo filana fotrotra sy tena ireo everin’ny olom-pirenena fa hampandroso azy. Raha ny mikasika ny fampandraisan’anjaran’ny olom-pirenena kosa dia nambarany fa tokony isakin’ny dingan’ny tetibola rehetra no ahitana izany. Natao moa ity fanadihadiana ity ahafahana mahita ny ezaka ho atao indray ho amin’ny tombana ho an’ny taona 2027.
LALAINA RAV