airtel

Toekarena

15-févr-2024

Fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana

Hampitombo ny renivola sosialin’ny olompirenena ny NIM

Sample post image

Ho fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara dia nanapa-kevitra ny NIM

15-févr-2024

na «Nouvelle institution de microfinance», izay azo ambara ho banky malagasy 100%, ny hampitombo ny renivola sosialy na «capital» ity banky ity mba hahafahan’ny olompirenena rehetra handray anjara amin’izany fampitomboana renivola sosialy izany, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo tetsy Akorondrano omaly. Ahafahana manao izany ny fivarotan’ity banky ity anjara na «action». Ny fananana an’io «action» io tsinona no midika fa tompon’ilay banky ianao na «actionnaire» satria natao faran’izay ara-drariny mba ho zakan’ny olompirenena malagasy ny mividy izany «action» izany, hoy ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny vondron’orinasa STOI, izay misy ity banky ity, Tovonanahary Rabetsitonta. «Action» miisa 10 fara-faha keliny, hoy izy, no azon’ny olompirenena hidirana ho tompon’anjara ao amin’ny NIM. 20.000 Ariary ny «action» iray ka ny 10 dia 200.000 Ariary. Rehefa ampy taona izany ka mampiditra an’izay dia efa manana anjara na «actionnaire». Ny olompirenena rehetra vonon-kandray anjara ka mba te hanana izany atao hoe «microfinance» dia afaka mandray anjara daholo. Rehefa manana 200.000 Ariary ianao izany ka mampiditra ao dia efa «capitaliste» no anaranao, izany hoe mpampiroborobo renivola na «capital». Zava-dehibe amin’ny malagasy rahateo izany hoe mametraka lova ho an’ny taranaka. Iaraha-mahita fa sarotsarotra ihany amin’izao fotoana izao izany mahazo trano sy tany izany. Ilay «action» anefa azo apetraka ho lovan’ny taranaka. Ny renivola apetrakao dia miasa sy mitombo isan-taona ka raha misy olompirenena manangana sy mampiasa orinasa madinika izany ao anatin’izany dia efa sady mampitombo ny lova ho an’ny taranany no mampitombo ny harinkarem-pirenena, hoy hatrany ny tenany. Hatramin’ny jolay 2022 no ho nankaty dia miisa 21 ankehitriny ny ivontoerana misy ny NIM manerana ny nosy, izany hoe anatina faritra miisa 17, hoy kosa ny tale jeneralin’ny NIM, Harizaka Rakoto. Mihoatra ny 16.000 no isan’ny mpanjifa ary nampindrana vola mihoatra ny 5 lavitrisa Ariary tamin’ny sokajin-tsaranga mihoatra ny 3500, hoy izy. Faritana ho hatramin’ny faran’ny volana jona 2024 ny fanatanterahana ity hetsika lehibe ity ary isan’ny vaovao eto amin’ny firenena kanefa mety hitsahatra mialohan’izay raha vao tratra ny tanjona fampiakarana ny renivola hatramin’ny 10 lavitrisa Ariary, hoy hatrany ny fampitam-baovao omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap