Manomana ny fanokafana ny any Toliara izahay izao, hoy izy. Mafimafy ilay izy satria ezahana asesy aloha izany ny fanokafana mba tsy hisy zanak’Ikalahafa amin’ny fahazoana ny tolotra rehetra nomaninay ho antsika malagasy. Manomboka miha matoky anay ny faritra rehetra nanokafana masoivoho izao satria tsy mitsaha-mitombo na ny isan’ny mpanjifa na ny tahiry ary indrindra ny fangatahana fampisamboram-bola izay tsy afenina fa somary sarotsarotra ny manenjika ny filana amin’izao fotoana izao satria avy dia nirohotra ny mpanjifa izay mila ireny fampisamboram-bola ireny. Mizotra araka ny tokony ho izy aloha tato anaty 3 volana ny fitantanan-draharaha ankapobeny. Raha tsy misy ny sampona dia amin’ny herinandro no hisokatra ny any Toliara, hoy hatrany ny tenany. Nomarihina hatrany moa fa malagasy 100% ity banky ity.
J. Mirija
Legende: Ny tale jeneralin’ny NIM
Niroso tamin’ny fifanaovana sonia fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa