airtel

Toekarena

04-mars-2024

Fanondranana makamba

Nisokatra ny 01 martsa, hampiditra 16 miliara amin’ny Fanjakana

Sample post image

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 01 martsa 2024 teo ny jono makamba izay

04-mars-2024

nikatona tao anatin’ny 3 volana nanomboka ny 31 desambra 2023. I Mahajanga no ivon’ny jono makamba indostrialy eto Madagasikara, araka ny famaritana nataon’ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga. Manodidina ny 35 ka hatramin'ny 47 eo ny isan'ny sambo manjono makamba ary vokatra 3.000 taonina hatramin'ny 3500 taonina isan-taona eo ny vokatra azo amin'ny jono makamba izay nampiditra "redevance" mitentina 16 Miliara Ariary tamin'ny kitapom-bolam-mpanjakana taorian'ny nametrahana ilay "réforme" izay napetraka ny faran'ny taona 2021, raha ny tatitra. Aondrana ny 90% amin’ny makamba eto Madagasikara. Raha ny antontan’isa moa, dia ny mitazona ny 12,05%n’ny tsena aty Afrika i Madagasikara. Firenena maro no anondranana izany. Lohalaharana i Frantsa (nanondranana makamba 5 085 Taonina), Chine (918 T) ary Espagne (224 T), araka ny tatitry ny antontan’isa ny taona 2021, avy amin’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar). Ho an’ny aty Afrika, mitazona ny 12,05%n’ny tsena ny vokatra makamba avy eto Madagasikara. Anisan’ny mampidi-bola betsaka ho an’ny kitapom-bolam-panjakana malagasy ny seha-pihariana makamba satria voalaza fa tafakatra 15 000 000 000 ariary izany tamin’ny taona 2023, raha nanodidina ny 2.900 000 000 ariary isan-taona talohan’ny taona 2021. Nahatratra 6 436 Taonina ny vokatra makamba naondrana ny taona 2021, nitetim-bidy hatrany amin’ny 84,21 tapitrisa USD na 320 miliara ariary, raha ny antontan’isan’ny EDBM hatrany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap