airtel

Toekarena

09-févr-2024

Fanondranana volamena 15 taonina isan-taona

Misy politika sy tetika avo lenta efa voaomana ?

Sample post image

Manana vina ny hanondrana volamena 500Kg amin'ny sehatra ara-dalàna

09-févr-2024

ato anatin'ny 100 andro i Madagasikara araka ny nambaran'ny Praimnisitra Ntsay Christian tao anatin’ny fanolorana ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE ny herinandro lasa izay. Tanjona ho an'ity taona ity ny hanondrana volamena 6 taonina. Vina ho an’i Madagasikara ny hanondrana volamena 15 taonina isan-taona, izay nambara fa tokony hampidi-bola 900 tapitrisa dolara amin’ny kitapombolam-panjakana. Nisy rahateo ny filazana nataon’ny Filoha ankehitriny ny hananganana «raffinerie aurifère » hanadiovana ny volamena Malagasy hamadihana azy ho « lingots d’or»mialohan’ny hanondranana azy ary hamadihana azy ihany koa ho « or monétaire » hisy akony ara-toekarena, hampiakatra ny sandam-bola,... izay nohamafisina anatin’ny PGE. Tafiditra anatin'ny ezaka lavitr'ezaka kosa ny hanondrana volamena 75 taonina anatin'ny 5 taona, raha voatazona ilay 15 taonina isan-taona. Eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, voalaza fa niakatra 11,8% eo ny vidin’ny volamena tao anatin’ny herintaona. 1929,00 dolara no vidin’ny volamena «1 once d’or» tamin’ny telo volana fahatelon’ny taona 2023 ; 1978,00 dolara tamin’ny telo vola faharoan’ny taona 2023 ; 1726,00 dolara tamin’ny telo volana fahatelon’ny taona 2022. Misy fenitra maromaro tsy maintsy hirosoan’ireo mpanondrana volamena mba afahana manara-maso azy ireo : fangalana alalana avy amin’ny «comptoir national de l’or» ; fampiakarana ny « capital » na renivolan’ireo orinasa mpanondrana volamena ; fanaraha-maso ireo manana petra-bola na « actionnaires » anatin’ny orinasa ; nahena herintaona ny faharetan’ny fanomezan-dalana hanonadrana ; « rapatriement de devises » na fampodiana ireo vola vahiny ho eto Madagasikara dia tsy maintsy anatin’ny 2 volana.
MAMPIAHIAHY, POLITIKA AVO LENTA EFA VOAOMANA ?
Zava-dehibe aloha amin’ny lafiny iray ny fisian’ny vina sy fandaharan’asa mba tena hanome lanja ny harena hitondra tombony sy akony ara-toekarena, fa tsy olom-bitsy sy ny vahiny hatrany no hisitraka sy higalabona amin’ny haren’ny Malagasy fa ny firenentsika zary lasa fakana akora fototra. Mampanahy ihany koa anefa amin’ny lafiny iray ny mety ho fisiana kajy avo lenta mba ho amin’ny tombotsoan’olom-bitsy na tombotsoan’ny mpitondra amin’ity lafiny volamena ity, raha tarafina amin’ny vaovao mivoaka sy ny zavatra maro efa nitranga. Betsaka ny zavatra mampiahiahy, toy ny fitateran’ny fampahalalam-baovao vahiny iray tamin’ity herinandro ity hoe : « tamin’ireo orinasa miisa 6 nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny Fanjakana hanondrana volamena, dia tafiditra ao ny senatera teo aloha SR olona akaiky an’i M… Ny fahatongavany ao amin’ilay sehatra dia mampiahiahy an’ireo mpandraharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany ». Mampiahiahy noho izany amin’ny lafiny iray ny mety ho fisiana politika avo lenta amin’ny kiantranoantrano amin’ny resaka fanondranana volamena mba ho an’ny tombotsoan’olom-bitsy. Tao anatin’ny fitantanan’izao fitondrana izao rahateo no nisehoana fahatrarana trafika betsaka indrindra tany ivelany, ary betsaka ihany koa no mety tsy tratra, raha ny antontan’isa mivoaka toy ny any Dubaï. Ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty na « Cour des comptes » ny desambra 2022 ohatra dia namoaka fa 4, 5 taonina no lanjan'ny volamena nivoaka tsy tamin'ny fomba ara-dalàna ny 2018-2021, ary ny 2,5 dia ny 2020-2021 avokoa. 779 miliara ariary no fantiantoka tokony hiditra tamin'ny kitapombolam-panjakàna. Eny fa hatramin’ny volamena 46kg nihidy tany anaty Biraom-panjakana aza nanjavona, saingy toa vitavita ho azy. Ny fitrandrahana tsy ara-dalàna nirongatra hany ka hatramin’ny « engins » an’ny Fanjakana aza nampanofaina hitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ary efa nafana ny raharaha vao nikorapaka nalefa any am-ponja,… Misy ireo anarana voatonontonona fa « passeurs » na mpitondra ny volamena atao trafika eto ahenoana anarana olom-boafidy, teratany vahiny efa sary monina nialoka tamin’ny resaka fanatanjahantena,… Mampitombo ny ahiahy ireny rehetra ireny sao mba misy tetika avo lenta ao ambadik’ity resaka volamena ity ? Ho tahaka izao ve ny firenena raha tena nampianarina sy nofehezintsika ny harena ary tsara tantana ho an’ny tombotsoan’i Madagasikara tokoa ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

Card image cap