airtel

Toekarena

20-mai-2022

Toekarena

Festival DONIA andiany faha-27 Hanomezana asa, hampiroboroboana ny fizahantany

Sample post image

Tsy misy izay tsy niraviravy tanana indrindra fa ireo mpandraharaha taorian’ny nidiran’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika ka nampihitsoka tanteraka ireo asa fihariana maro isan-tsokajiny.

20-mai-2022

Anisan’ny tena nitondra faisana tamin’izany ny sehatry ny fitaterana, fizahantany izay ezahina harenina sy hohatsaraina mandritra ilay vakoka ara-kolontsaina Festival Donia izay andiany faha-27 hotanterahina any Nosy be hell ville.
5 ANDRO
Amin’ny fiandohan’ny volana Jona ho avy izao, haharitra hadimiana no hanatanterahana ilay hetsika Festival Donia andiany faha-25 any an-toerana. Hiavaka tanteraka ny hetsika raha araka ny fanadihadiana natao. Taorian’ny 2 taona tsy nisian’izany vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 izay namono olona maro mantsy teto amintsika mantsy dia hametraka tantara goavana eto amin’ny tany sy ny firenena ny fisian’ity hetsika ity, amin’ity taona 2022 ity. Anisan’ny hahazo tombony manokana amin’izany ny sehatry ny fizahantany noho ny fisian’ireo mpizahantany vahiny marobe ho avy any an-toerana sy ireo Malagasy mpiray tanindrazana ho avy hanotrona ny hetsika. Ankoatra ny fampahafantarana ireo fomba amam-panao mampiavaka iny faritra Nosy be hell ville iny dia hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo karazan-tsakafo misy any an-toerana, ny fomba fitafy…. hanomezana aina izany sehatry fizahantany izany. Hahazo asa ihany koa ireo hotely nikatona vokatry ny valan’aretina ary ho afaka hiodina indray rehefa nikatona nandritra ny fotoana vitsy ny sasany. Ho afaka hivarotra ireo karazam-bokatra misy ao aminy ihany koa ireo mpandraharaha madinika sy salantsasany any an-toerana. Ho afaka hitondra ireo mpizahantany vahiny hitsidika ny tanana ireo mpisera dia….Asa maro no hiforona any an-toerana vokatr’izany, izay tena olana goavana sedrain’ireo tanora marobe eto amintsika tokoa.


HOTOHANANA IREO MPANANKATO ZANDRINY
Ankoatra ireo mpanankato sangany manodidina ny 11 isa ho avy hanome aina ny hetsika mandritra ireo 5 andro ireo dia hotohanana ihany koa ireo mpanankato zandriny vao misondrotra mbola tsy niaka-tsehatra manerana ny Nosy. Ny komity mpikarakara sy ny filoham-boninahitry ny hetsika no hifanome tanana amin’izany hahafahana manampy ireo mpanankato vao misondrotra ireo mba hananany ho aviny mamiratra. Filaharambe mamakivaky ny tanana hiainga eo amin’ny chateau d’eau hifarana ao amin’ny terrain Nosy be Ambodivoanio no hanokafana ny hetsika. Hitohy amin’ny fampisehoana ireo zava-kanto misy sy mampahalaza iny faritra iny izany. Hira maromaro no ho entin’ireo artista malaza toy an’i Lianah, Wawa, Dady love…. hanomezana aina ny lanonana izay efa tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny vakansy lehibe rahateo koa hanasana ny mpiray tanindrazana rehetra.
NIOVA NY FITANTANANA
Marihina moa fa niova ny fitantanana eo anivon’ity hetsika ara-kolontsaina Festival Donia ity. Lany ho filoham-boninahitr’izany Atoa Lalaina Vatosoa izay nofidian’ny komity mpikarakara. Efa filohan’ny fikambanan’ny mpanankato rahateo izy raha tsiahivina no havanana amin’ny asa aman-draharaha hafa ihany koa toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ka nanampiany olona marobe. Raha araka ny fanazavany dia anisan’ny tanjony ny hanome aina indray ny sehatry ny fizahantany eto amintsika taorian’ny Covid 19. Toraka izany koa ny hanomezana asa ny tanora. Ankoatra ireo mpiara-miombon’antoka aminy marobe eto an-tanindrazana mantsy dia hasainy ho avy eto an-toerana ihany koa ireo mpiara-miasa aminy marobe any ivelany toy ireo olom-boafidy…. hahafahana manatanteraka izany. Toky nomen’Atoa Lalaina Vatosoa araka izany ny hampiavaka tanteraka ity hetsika ity mba hisy fiantraikany ara-toekarena eto amin’ny tany sy ny firenena izany no hahafahana miady amin’ny fahantrana ihany koa ho an’ireo tanora tsy an’asa.

Atoa Lalaina Vatosoa, filoham-boninahitry ny hetsika Festival Donia andiany faha-27hotanterahina any Nosy be.

Pati

 

 

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap