airtel

Toekarena

09-juil-2026

Fifanakalozana ara-barotra amin'i Chine

Niaraka nijery ny paikady ny

Sample post image

MinCC sy ny Masoivoho sinoa

09-juil-2026

Mitohy ny fitadiavana lalana entina hanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra amin'ireo Firenena mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara. Nisy noho izany ny dinika momba ny fombafomba fandefasana entana makany Chine teo amin'ny Ambasadaoro sinoa JI Ping sy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana Rtoa Haingotiana Andriamadison, ka ny zava-dehibe dia ny fanafoanana ny haban-tseranana. Nialoha lalana an'io moa ny fikaonandoha nikatsaham-bahaolana ho an’ny Seha-pihariana Voanjo tany Morondava izay nitarainan’ny mpamokatra ny momba ny lalam-barotra, ary nitohy tamin'ny fandraisan’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana ny Masoivoho sinoa tetsy amin’ny birao fiasany etsy Ambohidahy. Voaresaka tamin’izao dinika izao ary nangatahan’ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON fanazavana tamin’ny Ambasadaoro JI Ping ny fomba fiasa sy ny fepetra takian’ny GACC (General Administration of Customs China) araka ny fenitra apetraky ny tsena sinoa, hahafahan’ireo entana avy eto Madagasikara miditra malalaka any Sina. Nohararaotin’ny Minisitra ny fihaonana nandresena lahatra ho amin’ny fanatsarana ny fiaraha-miasa mba hanamorana ny fidiran’ny lavanila malagasy eo amin’ny tsena sinoa. Hisy moa ny fampiofanana homen’ny Masoivoho sinoa ho an’ny mpandraharaha sy mpisehatra amin’ny fanondranana, hampahafantarany ny Lalàna sy ny fomba fanao amin’ny fandefasana vokatra sy entana any Sina. Lalam-barotra heverina fa azon'i Madagasikara trandrahana noho izany i Chine izay Firenena faharoa be mponina indrindra eto ambonin'ny tany satria mahatratra 1,4 miliara. Hatreto anefa, mbola miiba ny fifandanjana ara-barotra satria ny taona 2024 ohatra dia mitentina 1,34 miliara dolara ny fanondranana nataon'i Chine taty Madagasikara raha 283 tapitrisa dolara monja ny fanondranantsika nakany Chine, izany hoe nahatratra1,06 miliara Ar br izao ny elanelana. Zava-dehibe araka izany ny dingana iraisan'i Madagasikara sy Chine mitondra fanatsarana ho tombotsoan'ireo mpandraharaha Malagasy sy ny toekarena.
Toky R
 

Dans la même rubrique