airtel

Toekarena

08-juin-2022

Toekarena

Fifanarahana amin’ny Arabo Misy zavatra maro mampiahiahy

Sample post image

Mbola manjavozavo tanteraka ny endri-pifanarahana sy fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy tarihin’Atoa Andry Rajoelina sy ny Arabo.

08-juin-2022

Nisy ny dian’ny filoha sy ny delegasionina notarihiny niatrika ilay hetsika goavana momba ny nomerika tany Dubaï roa herinandro lasa teo izay. Isan’ny ny haha mpiara-miombon’antoka amin’ny Fanjakana Malagasy ny orinasa Al Jaber amin’ny fananganana ny Tanamasoandro. Tsy tonga hanao asa soa velively ny Arabo, fa hitady ary haka izay azony alaina ka mbola barango ny tambiny. Tena ho avy hampiasa vola mialohan’ny fifidianana ve ireo? Ara-diplaomatika, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta matetika dia ny Minisitry ny raharaham-bahiny no manasonia izany, indraindray ny minisitry ny toekarena sy ny vola raha misy resaka famatsiam-bola,… Ny Minisitry ny Indostria anefa no nanao izany teto, izay toa midika fa fifanarahana tsotra eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina iray any ivelany. Nahagaga indray anefa avy eo ny fahatongavan’ny iraka notarihin’ny Minisitry ny raharaham-bahinin’i Emirats Arabes Unis Sheikh Shakhboot Bln Nahyan al Nahyan, izay tsy azo natrehan’ny mpanao gazety. Midika fa endrika fiaraha-miasa amina firenena roa tonta na “coopération bilatérale” indray no nisehoany teo. Sahirana ny fitondrana amin’ny veliranony toy ny Tanamasoandro ka mitady izay hiantsampazana? Inona no tambiny ho an’ny Arabo? Resaka fanomezana tany ve satria tamin’ny propagandy ny Filoha Rajoelina dia efa nilaza tetsy amin’ny Kianjan’ny Coliseum fa mivarotra tany 100ha, ohatra, dia fa mahavita ny “viabilisation” an’ny làlana sy tanàna? I Dubaï sy Abu Dhabi dia malaza ho fandehanan’ireo trafikana volamena avy aty Madagasikara. Nambaran’Atoa Serge Zafimahova ny faran’ny herinandro teo, ohatra, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio FM 102.8, fa nahatratra 14 taonina ny volamenantsika tonga tany Dubaï ny 2018 raha ny tatitry ny Conseil Mondial de l’or, kanefa zara raha misy ny voasoaratra amin’ny fanondranana ofisialy. Misy ifandraisany amin’ny resaka fitrandrahana sy fanondranana volamena ve ny fiaraha-miasa amin’ny arabo? Nanaitra ihany koa omaly ny fanehoan-kevitra nataon-dRtoa Faniry Ernaivo toy izao: “Inona marina no nataon’i Andry Rajoelina sy Augustin Andriamananoro tany Dubaï fa toa any an-tranon’ireto efa enjehina ho mpanao trafikana volamena Tessa sy Jeinlulabden no namantana i Augustin mianakavy ? Sa i DGPP (Tale Jeneralin’ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena) no “émissaire” amin’io trafikana volamena io Vodiondrom-barotra amin’ny Tanamasoandro?” Andrasana ny valiny sy ny fanazavana ofisialy raha hisy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap