airtel

Toekarena

02-déc-2025

Fifehezan’ny jiosy sy karana ny toekarena

«Fanjakàna miaro ny

Sample post image

mpandraharaha teratany ihany no fanafodiny»

02-déc-2025

Saika manerantany dia mifehy ny toekaren’ny firenena misy azy ny mpandraharaha jiosy sy karàna, hoy ny mpikaroka mpampianatra, Pr Jonah Ratsimbazafy. Tsy eto Madagasikara ihany no ahitàna izany, hoy izy, fa atsy Afrika koa indrindra indrindra. Toy ny efa anatin’ny ràn’izy ireo mihitsy ny fandraharana ka ry zareo no mifehy ny ain'ilay firenena. Io itantsika eto Madagasikara io izany. Eo koa moa ny firaisankinan'izy ireo ka izay mpandraharaha teratany afaka mba hifaninana amin’izy ireo dia voan’ny tambabe an’ilay fiombonan-dry zareo. Na tsy manana diplaoma aza izy ireo dia vitsy izany orinasa karàna lasa «faillite» na banky izany. Ny antsika no miha reraka ny orinasa na olona be diplaoma aza no mitantana ilay izy. Matetika moa dia voavidim-bolan’izy ireo koa ny mpitondra dia vao mainka vizana ilay mpandraharaha teratany ka miafara amin’ny fikatonan’ilay orinasa mihitsy. Nisy namako karàna izay nanampy ahy hiady varotra amin’ny entana tsy azo iadiana varotra ka tena tsy namelany raha tsy azoko tamin’ny vola nananako Ilay «dictaphone» na fandraisam-peo tany Jersey UK. Izaho izany efa tsy nazoto fa izy no nikiry be tamiko hoe tsy fantatrao fa karàna aho? Izany hoe tena ireharehany ny maha karàna azy, izay tsy nihemotra mihitsy fa naka toky tamiko fotsiny izy hoe «tena tianao hananana ve io?». Eny, hoy aho, fa ny volako tsy ampy satria ny entana any amin’ny Shoprite ve, ohatra, azonao hiadiana varotra? Tsia fa tena vitany! Rehefa azoko ilay izy vao niteny sy nihomehy izy hoe «Itanao fa azontsika!». Tena miala satroka aminao aho, hoy aho, fa tena any anaty rà anareo tokoa ny bizina. Ka inona no tokony ho atao? Ny fanjakana miaro ny mpandraharaha teratany ao aminy toa io ataon-dry zareo maorisiana io ary mitambatra ihany koa. Izay ihany no fanafodiny, hoy hatrany ny fitantaran’ity manam-pahaizana ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

afaka mivoatra i Madagasikara »

Card image cap